Eksôdy 17 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny rano tao Masà sy Meribà

1Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.

2Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe:

–Omeo rano hosotroina izahay!

Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe:

–Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?

3Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe:

–Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?

4Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe:

–Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!

5Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe:

–Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.

6Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka.

Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.

7Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»

Mamely ny Israelita ny Hamalekita

8Tonga hiady amin’ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.

9Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa:

–Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako.

10Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana.

11Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.

12Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.

13Koa resin’i Josoa tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

14Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.

15Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».

16Ary hoy izy hoe:

–Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan’ny Tompo, dia hiady amin’izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help