1Faha Ônià mpisorombe, dia nitoetra tao anaty fandriampahalemana tanteraka ny mponin’i Jerosalema tanàna masina; fatra-pitandrina ny lalànan’Andriamanitra izy ireo, noho ny fitiavam-bavak’i Ônià sy ny fankahalany ny ratsy.
2Na ny tenan’ireo mpanjaka aza dia nanaja ny tempoly sy nandravaka azy tamin’ny fanomezana sarobidy,
3hany ka i Seleokôsa mpanjakan’i Azia mihitsy no niantoka ny lany rehetra tamin’ny fanaovan-tsorona, avy amin’ny vola niditra ho an’ny tenany.
4Nisy kosa izay Simôna anankiray izay, anisan’ny antoko-mpisoron’i Bilgà izy sady voatendry hitantana ny tempoly. Tsy nifanaraka tamin’ny mpisorombe i Simôna ny amin’ny fisafoana ny tsena ao an-tanàna.
5Tsy afa-nandresy tosika an’i Ônià izy, ka lasa nankany amin’i Apôlôny, zanakalahin’i Tsaseà sady governoran’i Kôilà-Siria sy i Fenisia.
6Nolazain’i Simôna azy fa ny trano fitahirizan-drakitry ny tempoly, ao Jerosalema, dia feno vola mihoa-pampana, misy harena tsy taka-pesimpesenina, tsy mifanentana velively amin’ny zavatra ilaina hanaovan-tsorona; ary azon’ny mpanjaka baboina avokoa izany rakitra izany.
Nalefa any Jerosalema i Heliôdôra7Nony tafaresaka tamin’ny mpanjaka i Apôlôny, dia nampahafantatra azy izany harena voalazan’i Simôna izany. Ka nirahin’i Seleokôsa i Heliôdôra izay filohan’ny raharaham-panjakana, ary nomeny teny mba haka izany harena voalaza izany.
8Niainga avy hatrany i Heliôdôra mody hoe hizahazaha ny tanànan’i Kôila-Siria sy i Fenisia, kanjo ny hanatanteraka ny hevitry ny mpanjaka no tena fotony.
9Nony tonga tao Jerosalema i Heliôdôra, dia noraisin’ny mpisorombe sy ny iray tanàna tamim-pitiavana. Notantarain’i Heliôdôra ny zavatra reny ary nasehony ny anton’ny fahatongavany; kanefa nanontaniany na marina tokoa na tsia izany zavatra izany.
10Dia nasehon’ny mpisorombe tamin’i Heliôdôra fa ny ao anaty fitahirizan-drakitra dia ny vola napetraka hanasoavana ny mpitondratena sy ny kamboty,
11ary ny ampahany koa an’i Hirkana zanakalahin’i Tôbia sady olona ambony toerana. Ny tontalin’ny harena voatahiry dia volafotsy 11 000 kilao ary volamena 5 500 kilao, fa tsy izay nolazain’i Simôna mpandainga sy mpankahala fivavahana akory no tena toe-javatra.
12Ankoatra izany, tsy azo atao velively ny mamabo ny fananan’ireo olona nitoky amin’ny fahamasinan’ity toerana ity ary amin’ny fiambonian’ny tempoly izay hajaina eran’izao tontolo izao sady tsy azo zimbazimbaina.
Nivarahontsana ny mponin’i Jerosalema13I Heliôdôra kosa, noho ny didy azony tamin’ny mpanjaka, dia niziriziry mihitsy fa tsy maintsy hoentina hanatevina ny tahirin-drakitry ny mpanjaka izany vola izany.
14Koa tamin’ny fotoanandro voafetrany, dia lasa izy niditra ny tempoly mba hizaha izany harena izany.
Hatairana lehibe no nihanaka eran’ny tanàna manontolo tamin’izay.
15Dia niankohoka teo anoloan’ny alitara ireo mpisorona niakanjo ny fanamiana fisoronany, ka nitaraina tamin’Andriamanitra mba hitahiry tsy hisy banga izany harena izany ho an’izay nametraka azy, satria Izy Andriamanitra rahateo no mpanao ny lalàna momba ny zavatra napetraka hotahirizina.
16Voatsindrona lalina ny fon’izay nahita ny tarehin’ny mpisorombe, satria ny endriny sy ny fiovàn’ny lokon-tavany dia naneho ny fanahiana nanjo ny fanahiny.
17Raikitahotra izany lehilahy izany ary nangovitra ny vatany; ka niharihary teo imason’ny olona rehetra ny fahorian’ny fony.
18Nidodododo nanao andiany ny mponina nivoaka ny tranony avy, ka niara-nivavaka mba hidify ny tempoly izao fanimbazimbana mananontanona azy izao.
19Ny lalambe rakotry ny vehivavy nitafy akanjo fisaonana hatreo an-tratrany no ho midina; zazavavy, izay mbola voatazona hihiboka an-trano, dia nidodododo koa; ao ny nankeo am-baravarambe, ao ny nankeny amin’ny manda, ao ny nitsirika teo am-baravarankely,
20ka samy nanandra-tanana tamin’Andriamanitra sady nanao vavaka fitarainana.
21Nampangorakoraka ny hareraham-pon’ireto vahoaka nifanjevo sy ny fanahian’ity mpisorombe feno tebiteby.
Narovan’ny Tompo ilay tempoliny22Tamin’izay ny Jiosy dia nitaraina hatrany tamin’ilay Tompon’izao rehetra izao hitahiry sy hiantoka tanteraka tsy misy ahabangana ny zavatra napetraka mba ho an’izay nametraka azy.
23I Heliôdôra kosa efa niroso hanatanteraka izay zavatra tinapaka.
24Fony izy mbamin’ny mpiambina azy efa mby teo akaikin’ny fitahirizan-drakitra no nanao fisehoana lehibe ilay Mpifehy ireo fanahy ao an-danitra sy ny fahefana isan-karazany; hany ka izay rehetra sahy nankeo amin’io toerana io dia voakapok’izany herin’Andriamanitra izany ka tsy nanan-kery hahavita na inona na inona fa nivarahontsana teo.
25Hitan’i Heliôdôra ity soavaly voarakotra haingo sarobidy sady nana-mpitaingina mampatahotra sy mirongo fiadiana volamena; nitsatoka nitroatroatra ilay soavaly no nampitsikaroka ny tongony anoloana hamely an’i Heliôdôra.
26Niaraka tamin’izay koa indreo niseho taminy ny zatovo roa lahy ombàn-kery mampitolagaga sy rako-pahazavana manjelatra ary nitafy akanjo marevaka fatratra; dia teo an-kilany an-daniny avy izy roa lahy no nijoro, ka nikapoka azy nifanesy tsy an-kijanona.
27Niankarapoka tampoka tamin’ny tany i Heliôdôra, sady voahodidin’ny haizim-pito, dia noraisim-potsiny napetraka teo amin’ny filanjana anankiray;
28ka ilay lehilahy, vao avy niditra tao amin’ny efitrano nisy ny tahirin-drakitra voalaza, ary nomban’ny mpanotrona maro sy izay rehetra mpiambina azy, dia indro tsy nahazaka tena fa nobetain’olona izay voatery niaiky an-karihary ny fahefan’Andriamanitra.
29Voakapoky ny herin’Andriamanitra i Heliôdôra ka niampatra tsy nahateny, namoy fo ary tsy nanantena ho velona intsony.
30Ny Jiosy kosa nankalaza ny Tompo noho ny nanomezany voninahitra ny toerany masina; ka ny tempoly, izay vao teo no teo no feno olona nivarahontsana sy nitebiteby, dia tonga feno hafaliana amam-piravoravoana noho ny fisehoan’ilay Tompon’izao rehetra izo.
Nivavaka ho an’i Heliôdôra i Ônià31Vetivety taorian’izay, ny sasany tamin’ireo naman’i Heliôdôra dia niangavy an’i Ônià hivavaka amin’ilay Avo Indrindra mba hamelona an’ity lehilahy mitsitra efa manary aina.
32Ka dia nanolotra sorona ho fahasitranan’i Heliôdôra ny mpisorombe, satria natahotra izy fandrao ny mpanjaka hihevitra fa ny Jiosy no nitady hamono an-dralehilahy.
33Mbola manolotra ny sorona fanalana ny ota kosa ny mpisorombe, no niseho tamin’i Heliôdôra indray ireo zatovo nitafy akanjo toy ny aninkeheo ihany ka nitsangana teo akaikiny sady nilaza taminy hoe:
–Omeo fisaorana mitafotafo i Ônià mpisorombe fa noho izy ihany no namelan’ny Tompo anao ho velona.
34Ianao kosa, rehefa nofaizin’Andriamanitra toy izao, dia torio amin’ny olona rehetra ny fahefana lehibe ananan’Andriamanitra.
Nony avy nilaza izany ireo zatovo, dia lasa tsy hita intsony.
Nambaran’i Heliôdôra ny herin’Andriamanitra35Taorian’izay i Heliôdôra dia nanolotra sorona tamin’ny Tompo sy nampanantena hanao fanomezana maro ho azy noho izy nitahiry ny ainy. Avy eo nanome toky an’i Ônià i Heliôdôra fa hihavana aminy; ary niverina niaraka tamin’ny miaramilany izy ho any amin’ny mpanjaka.
36Nataony tsara laza tamin’ny olona rehetra ny asan’ilay Andriamanitra lehibe indrindra, dia asa hitan’ny masony tokoa.
37Nanontanian’ny mpanjaka i Heliôdôra ny amin’izay olona tokony hirahina ho any Jerosalema indray, ka izao no navaliny azy:
38–Raha manana fahavalo ianao na olona mpikomy amin’ny fitondranao, dia izy no iraho any. Ho rotiky ny kapoka izy, vao tafaverina aty aminao, raha tàhiny ka mba afaka ihany, satria miharihary fa misy hery avy amin’Andriamanitra tokoa io toerana io.
39Ilay Andriamanitra manana ny fonenany any an-danitra no miambina sy miaro io toerana io; ka izay tonga ao omban-kevitra ratsy, dia asiany sy ataony levona mihitsy.
40Izany no zava-nitranga momba an’i Heliôdôra ary toy izany no tsy nahavoaroba ny tahirin-drakitry ny tempoly.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.