1 Salamo. Tononkira fanao amin’ny andro sabata.
2Tsara ny midera Anao, TOMPO ô,
sy ny mankalaza Anao an-kira,
ry ilay Andriamanitra Avo Indrindra,
3ka manambara ny fitiavanao raha vao maraina
ary ny fahamarinanao mandritra ny alina,
4amin’ny valiha torifolo
sy amin’ny feon-dokanga.
5Mahafaly ahy ny asanao, TOMPO ô,
ary manao horakora-pihobiana aho
manoloana ireo zavatra vitanao.
6Lehibe tokoa izay nataonao, TOMPO ô,
ary lalina aoka izany ny fisainanao!
7Ny ketrina no tsy mahalala izany
ary ny adala no tsy mahatsapa.
8Na manorobona toy ny ahitra aza ny olon-dratsy
ka mamony avokoa ny mpanao ny tsy rariny,
dia ny mba haringana mandrakizay.
9Ianao, TOMPO ô, no ambony indrindra
ka mitoetra ho mandrakizay!
10Ireo fahavalonao kosa, TOMPO ô,
eny, ireo fahavalonao dia ho levona
ireo mpanao tsy an-drariny hiparitaka avokoa.
11Nomenao ahy ny tanjaky ny ombimanga,
nandrarahanao menaka mbola vao aho.
12Hitako ny faharesen’ireo mpifanandrina amiko,
ary reko ny fikaikaikan’ireo mpisetrasetra ahy.
13Fa ny olo-marina kosa hamololona toy ny rofia,
hisandrahaka toy ny sederan’i Libano:
14Toy ny hazo ambolena eo an-tokotanin’ny tempoly izy
ka mivelatra eo an-kianjan’ny TOMPO Andriamanitsika;
15sady, na antitra aza, dia mamoa hatrany
ary mbola maitso sy milenodenoka;
16izany no porofo fa mahitsy ny TOMPO,
ary tsy misy olakolaka ao amin’ilay Mpiaro ahy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.