Isaià 51 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny famonjena tsy misy fiafarany

1«Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana,

dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO:

Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo

sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:

2Hevero i Abrahama rainareo

sy i Sarà izay niteraka anareo.

Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko;

kanefa notahîko izy sy nohamaroiko!»

3Eny, ny TOMPO tokoa no nampahery an’i Tsiôna,

nampahery azy teo anivon’ny faharavàny rehetra.

Ka izany toerana karankaina izany

dia novan’ny TOMPO ho paradisa;

ary izany tany ngazana izany

dia novany ho zaridaina mahavariana.

Fientanentanana sy firavoravoana no ho hita ao

ary koa hira fiderana sy feon-java-maneno.

4«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo,

ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko.

Satria Izaho no hamoaka ny lalàna;

ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko

ho fanazavana ny firenen-kafa

5Efa akaiky ny fanafahako,

efa hiseho ny famonjeko;

ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa.

Koa ny mponina any amin’ny nosy any

dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin’ny fahefàko.

6Atopazo eny an-danitra ny masonareo,

dia jereo koa ny tany etỳ ambany:

ny lanitra ho levona toy ny setroka

ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba,

ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy;

fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay

ary ny fanafahako tsy mba ho rava.

7Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny,

ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako;

aza matahotra izay fanaratsian’ny olona

na milefitra amin’ny fanalam-baràka ataony,

8satria ho toy ny lamba lanin’ny kalalao ireny

sy ho tahaka ny volonondry lanin’ny fositra;

fa ny fanafahako kosa haharitra mandrakizay

ary ny famonjeko ho amin’ny taonjato mifandimby.»

Mifohaza ianao Tompo ô

9Mifohaza ianao, TOMPO ô,

mifohaza ka tafio indray ny herinao;

mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha,

dia tamin’ny taranaka fahiny ela be.

Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba,

sy nanagorobaka ilay dragona?

10Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina,

dia ny rano ao amin’ny hantsana lalimbe,

ka nahatonga ny fanambanin’ny ranomasina

ho lalana hiampitan’ny voaavotra?

11Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO

ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena;

ary hafaliana mandrakizay

no ho hita taratra eny an-dohany,

fientanana sy firavoravoana no hanenika azy

fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!

Inona no atahoranao, ry vahoakako?

12Izaho, eny, Izaho ihany

no mampahery anao, hoy ny TOMPO.

Ka inona no atahoranao ny olona mety maty,

dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?

13Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao,

Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany.

Fa tsy mitsaha-mangovitra isan’andro ianao

eo anoloan’ny fahatezeran’ny mpampahory,

izay toy ny efa mikendry hanimba anao.

Kanefa aiza izao ny fahatezerany?

14Vetivety dia hoafahana ny gadra mitanondrika

ka tsy ho faty ho any am-pasana

ary tsy ho ory hanina intsony.

15Satria Izaho Tompo no Andriamanitrao,

Ilay mamolaka ny ranomasina

raha mirohondrohona ny onjany;

Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarako.

16Hamelatra ny lanitra indray Aho

sady hanorina indray ny tany,

ka hilaza amin’i Tsiôna hoe: «Vahoakako ianao.

Ataoko eo am-bavanao ny teniko;

ary arovako eo ambany aloky ny tanako ianao.»

Mifohaza, ry Jerosalema

17Mifohaza ianao, ry Jerosalema,

mifohaza ka mitsangàna!

Nampisotroin’ny TOMPO anao

ny tsatokaty feno ny fahatezerany,

dia tsatokaty misy fisotro mahafanina

izay notrohinao hatramin’ny faikany.

18Tsy nisy nanohana anao na iray aza

ireo zanaka rehetra naterakao;

ary tsy nisy nitantana anao na iray aza

ny ankizy rehetra notezainao.

19Tonga namely anao tsiroaroa ny loza;

fahasimbana sy faharavana, ary ady sy mosary.

Kanefa iza moa no hitsetra anao,

iza moa no hampahery anao?

20Eny an-joron-dalambe rehetra eny

no mitorevaka sy miampatrampatra ny zanakao

tahaka ny diera voafandrika harato;

fa rakotry ny fahatezeran’ny TOMPO ireo

sady iharan’ny fandrahonan’ilay Andriamanitrao.

21Noho izany, ry ilay Jerosalema ory

ka mivembena tsy mamon-divay,

henoy izao teny ataoko izao:

22Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao,

dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany

ka milaza aminao hoe:

«Indro hoesoriko eny an-tananao

ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina,

dia tsatokaty feno ny fahatezerako,

ka tsy hisotroanao izany intsony.

23Io tsatokaty io dia hatolotro

eo an-tanan’ny nampahory anao,

dia ireo olona nilaza taminao hoe:

‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›;

ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao

ho tahaka ny tany eny an-dalambe

natao hohitsahin’ireo mpandalo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help