Levitîka 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fanadiovana ny vehivavy aorian’ny fiterahany

1Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

2mba hamepetra ny Israelita hoe:

«Raha misy vehivavy niandry volana ka tera-dahy, dia haloto mandritra ny fito andro izy, tahaka ny aharetan’ny fahalotoany amin’ny fadimbolany.

3Amin’ny andro fahavalo, dia hoforana ny zaza.

4Ary mandritra ny 33 andro aorian’izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana; ka tsy hikasika zava-masina izy na hiditra ny Toeramasina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.

5«Raha misy kosa vehivavy tera-bavy, dia haloto tahaka ny amin’ny fadimbolany izy, kanefa tapa-bolana no haharetan’ny fahalotoany; ary mandritra ny 66 andro aorian’izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana.

6«Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.

7Hatolory ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo sorona ireo, ary rehefa nataony tamin-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio ny amin’ny ra very teo am-piterahana izy.»

Ireo no fepetra momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.

8Raha tsy tratry ny fananan-dravehivavy ny zanakondry anankiray, dia hitondra domohina na voromahailala anankiroa izy: ny anankiray hatao sorona dorana manontolo, ny anankiray kosa hatao sorona fanalana ny ota. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay vehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help