Zakarià 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fahitana fahenina: ny bokin’ny fanozonana

1Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy horonam-boky manidina.

2Ary nanontanian’ilay anjely aho hoe:

–Inona no hitanao?

Dia hoy aho namaly:

–Mahita horonam-boky manidina aho: folo metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany.

3Ka hoy izy tamiko:

–Izany no ozona miainga hipaka amin’ny tany manontolo. Fa araka ny voasoratra eo amin’ny lafiny iray, ny mpangalatra rehetra dia horoahina hiala amin’ity tany ity; ary amin’ny lafiny hafa kosa, izay rehetra mianiana lainga dia hatao araka izany koa.

4Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Izaho no nampiainga izany ozona izany; hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ny mpianiana lainga amin’ny anarako izany, ary hitoetra ao ka handevona ny trano mbamin’ny hazony sy ny vatony.

Fahitana fahafito: ilay vehivavy ao anaty vata famarana

5Niseho indray ilay anjely niresaka tamiko ka nanao hoe:

–Atopazy ny masonao, ka jereo irỳ mipoitra irỳ?

6Ary nanontaniako izy hoe:

–Inona io?

Dia hoy ny navaliny:

–Vata famarana mirakitra ny fahadisoana eto amin’ny tany manontolo io.

7Tamin’izay dia niainga ho azy ny vongam-piraka saron’ilay vata, ary indro hitako nisy vehivavy iray mipetraka ao anatiny.

8Dia hoy ilay anjely tamiko:

–Io vehivavy io no Faharatsiam-panahy.

Koa natosiny hiverina tao anaty vata izy ary nakatony ny sarona vongam-piraka.

9Raha nanopy maso aho, dia indreo hitako nisy vehivavy roa nanidina; ny rivotra no nanampy tosika ny elany, fa nanana elatra toy ny an’ny vano izy. Noraisin’izy roa vavy ilay vata ka nentiny nisidina teny amin’ny habakabaka.

10Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe:

–Hoentin’izy ireo aiza moa ity vata?

11Ka hoy izy tamiko:

Any Mezôpôtamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin’ny vodivato hitoerany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help