Tôbita 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nomen’i Ragoela ho vadin’i Tôbià i Sarà

1Fony ireto mpandeha niditra tao Ekbatàna, dia hoy i Tôbià tamin’ilay anjely:

–Ry Hazarià malalako, tariho hivantana any amin’i Ragoela mpiray firenena amintsika aho.

Dia notarihin’ilay anjely ho any an-tranon’i Ragoela i Tôbià. Hitan’ireto mpivahiny i Ragoela, nipetraka eo akaikin’ny varavaran’ny tokotaniny; ary lohalaharana ireo tamin’ny fiarahabana azy, ka novalian’i Ragoela hoe:

–Mirary soa betsaka ho anareo aho, rahavako, ary miarahaba anareo tonga soa.

Dia nampandroso an-trano ireto vahiny i Ragoela

2sady niteny tamin’i Ednà vadiny hoe:

–Mba mitovy amin’i Tôbita havako mihitsy ity tovolahy ity!

3Ary nanontanian’i Ednà ireto vahiny ny amin’ny fiaviany, ka namaly azy hoe:

–Avy any Ninive izahay. Anisan’ny voababo tamin’ny taranak’i Naftalỳ izahay.

4Dia hoy indray i Ednà hoe:

–Mba fantatrareo ve i Tôbita havanay!

Ka novalian’ireo hoe:

–Eny, fantatray izy!

5Ary hoy ihany i Ednà hoe:

–Mba manahoana izy izay?

Ka novalian’ireto vahiny hoe:

–Mbola velona aina izy ary salama tsara.

Sady nampian’i Tôbià hoe:

–Izy ange no raiko!

6Tamin’izay i Ragoela dia nitsamboatra ka nanoroka an’i Tobià sady nitomany, ary nilaza taminy hoe:

–Hotahîn’Andriamanitra anie ianao, anaka! Manan-dray mahafatra-po tokoa ianao. Loza indrisy fa tonga jamba izany lehilahy marina sy mpanao fiantrana izany!

Dia nofihinin’i Ragoela ny vozon’i Tôbià havany ary mbola nitomany indray izy.

7Samy nitomany koa i Ednà vadiny sy i Sarà zanany vavy, teo am-pieritreretana an’i Tôbita.

8Avy eo i Ragoela dia nampamono ondrilahy anankiray tamin’ny andiam-biby fiompiny mba hanaovana fandraisana mafana an’ireto vahiny.

9Rehefa avy nisasa sy nidio araka ny fanao ireto vahiny, dia niroso hisakafo. Ary hoy i Tôbià tamin’i Rafaela:

–Ry Hazarià malalako, mba angataho i Ragoela hanome an’i Sarà havako ho vadiko.

10Nandre izany teny izany i Ragoela ka nilaza tamin’ilay tovolahy hoe:

–Mihinàna sy misotroa ianao, ary hararaoty hifaliana izao takariva izao. Tsy misy olona manan-jo hanambady an’i Sarà zanako vavy afa-tsy ianao, rahavako. Tsy azoko atao ny manome azy amin’olon-kafa ankoatra ny tenanao, satria ianao no havako akaiky indrindra. Kanefa holazaiko anao mihitsy ny marina:

11lehilahy fito anisan’ireo Israelita havantsika no efa nifandimby nomeko azy ho vady, saingy maty avokoa izy rehetra tamin’ny alina fampakarana, iny ireo hanatona an’i Sarà iny. Izao aloha ianao, anaka, dia mihinàna sy misotroa; ny Tompo kosa no hiasa hanambina anareo.

12Fa novalian’i Tôbià hoe:

–Tsy hihinana ary tsy hisotro na inona na inona aho, ambara-panapakao hevitra ny amiko.

Ka hoy i Ragoela tamin’i Tôbià:

–Eny àry fa hataoko izany. Omena anao araka ny tinapaky ny bokin’i Mosesy i Sarà; noho izany, dia Andriamanitra no nanapa-kevitra ny hanome azy anao. Koa raiso ho vady io havanao io. Manomboka izao, dia ho vady malalany ianao ary ho vady malalanao izy. Anao i Sarà, manomboka anio ka ho mandrakizay. Ilay Tompon’ny lanitra no hanao izay hahasoa hahatsara ity alina ity ho anareo roa, anaka. Enga anie Izy hamindrafo aminareo ary hampiadana anareo!

13Avy eo dia nantsoin’i Ragoela i Sarà zanany vavy. Rehefa tonga teo aminy kosa razazavavy, dia noraisiny tanana ary nentiny hankeo amin’i Tôbià izay nitenenany hoe:

–Raiso i Sarà fa omena ho vadinao, araka ny Lalàna sy araka ny fepetra voasoratra ao amin’ny Bokin’i Mosesy. Tano izy ary ento soa aman-tsara hiaraka aminao any an-tranon-drainao. Enga anie ilay Andriamanitry ny lanitra hitarika anareo sy homba fiadanana anareo!

14Dia nantsoin’i Ragoela ny vadiny sady nasainy hitondra taratasy hanoratana. Ary nosoratan’i Ragoela ny fifanekem-panambadiana, izay miantoka fa nomeny ho vadin’i Tôbià i Sarà, araka ny fepetran’ny lalànan’i Mosesy. Avy eo izy rehetra vao nihinana sy nisotro.

Ny alim-pampakarana

15Dia nantsoin’i Ragoela indray i Ednà vadiny ka nilazany hoe:

–Ry vady malalako, omany kely ny efitrano fandriana faharoa ary ento ao i Sarà.

16Lasa tokoa i Ednà nanomana fandriana tao amin’ilay efitrano, araka izay nolazaina taminy; ary nentiny nankao ny zanany vavy. Nitomany i Ednà teo am-pieritreretana an’i Sarà, kanefa avy eo dia namaoka ranomaso izy sady niteny tamim-drazazavavy hoe:

17–Mahereza, anaka. Enga anie ilay Tompon’ny lanitra hanova ny alahelonao ho fifaliana! Mahereza, anaka.

Dia nivoaka ny efitrano i Ednà.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help