Salamo 131 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Tompo ô, tsy mirehareha ny foko

1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko,

tsy miandranandrana ny masoko!

Tsy mikendry zava-baventy aho

na zavatra ambony tsy sahaza ahy.

2Afa-po sy milamina aho

toy ny zaza voky am-pofoan-dreniny;

eny, toy izany zaza voky izany

no fahatonian’ny foko ato amiko.

3Aoka ny vahoaka Israely hatoky ny TOMPO

manomboka izao ka ho mandrakizay!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help