1Aleo tsy manan-janaka
nefa manana hatsaram-panahy,
fa tsy ho faty ny fahatsiarovana azy,
satria sitrak’Andriamanitra sy ny olona izy.
2Raha velona eo imaso izy, dia alain-tahaka;
rehefa tsy eo intsony kosa izy,
dia malahelo azy ny olona;
any amin’ny mandrakizay izy
dia mirenty voasatroboninahitra,
satria ny fifaninanana nandreseny
no ahazoany valisoa tsy mety simba.
3Fa ny taranaky ny tsy mpivavaka kosa,
na dia maro aza, dia tsy vanon-ko inona.
Toa zana-kazo ratsy izy
ka tsy ho latsaka lalina ny fàkany
ary tsy hiorina mafy ny fotony;
4fa na maniry sampana fotoana fohy aza izy,
dia tsy mafy orina ka ho voahozongozon’ny rivotra
ary ho voaongotry ny tadio mifofofofo.
5Mipika alohan’ny fotoana ny rantsany;
manta tsy azo hanina ny voany
ka ho very foana, tsy misy ilana azy.
6Fa amin’ny andro fitsarana,
ireo zaza nateraky ny firaisana voarara
dia hijoro ho vavolombelona
ny amin’ny faharatsian’ny raiamandreniny.
Ny fahafatesan’ny olo-marina alohan’ny fotoana sy ny fahelavelon’ny tsy mpivavaka7Fa ny olo-marina kosa,
na dia maty alohan’ny fotoana aza,
dia hahita fialan-tsasatra.
8Natao hohajaina ny fahanterana;
kanefa tsy dia ny fahelavelona
na ny hamaroan’ny taona iainana
no mahatonga ny olona ho mendri-kaja.
9Fa ny fahendrena no misolo
ny volofotsy ho an’ny olona;
ary fiainana tsisy pentina
no taom-pahanterana.
10Fahiny dia nisy lehilahy
nahafaly an’Andriamanitra ka tiany.
Ary raha niara-belona tamin’ny mpanota izy,
dia nafindra an-toeran-kafa.
11Nesorina anefa izy
mba tsy ho simban’ny ratsy ny sainy
ary tsy ho voafitaky ny hafetsena ny fanahiny.
12Fa ny fanangolen’ny rendrarendra
dia mahatakona ny soatoavina;
ary ny fandrebireben’ny faniriana
dia mampihozongozona ny saina mahitsy.
13Ao anatin’ny fotoana fohy io lehilahy io
no tonga amin’ny fahalavorariana
ka nahatratra ny fahafenoan’ny ela velona.
14Sitraky ny Tompo ny fomba fiainany
ka izany no nanesorany azy haingana
tamin’izao tontolom-paharatsiana izao.
Hitan’ny olona izany nefa tsy fantany;
ary tsy mba tonga tao an-tsainy
izao tarehin-javatra izao:
15ny fahasoavana sy ny famindrampo
dia ho an’ny olom-boafidin’ny Tompo
ary mirotsaka an-tsehatra Izy
ho fiahiana ny vahoaka voatokana ho Azy.
16Ny fahafatesan’ny olo-marina
dia manameloka ny fahaveloman’ny tsy mpivavaka;
ary ny tanora tonga faingana amin’ny fahalavorariana
dia manameloka ny olon-tsy marina tratra antitra.
17Hahita ny fiafaran’ny hendry ny tsy mpivavaka,
nefa tsy hahafantatra akory
ny fikasan’Andriamanitra ny aminy
na ny nametrahany azy amin-toerana azo antoka.
18Hahita izany ireo ka haneso;
kanefa mba hihomehy azy kosa ny Tompo.
19Ho tonga faty tsy misy hajany izy
aorian’ny fahafatesany,
ka ho afa-baràka mandrakizay
any amin’ny toeran’ny maty.
Fa hongotan’Andriamanitra
hatrany amin’ny fototra iorenany izy
ary havariny mitsingoloka
sady tsy hanan-kalahatra akory;
ka ho ringana hatramin’ny farany izy
ary ho azom-pahoriana mafy,
ka tsy hisy hahatsiaro azy intsony.
Ny nenina hanjo ireo mpaneso an’Andriamanitra20Amin-tahotra no hanatonan’ireo tsy mpivavaka
rehefa hampamoahin’Andriamanitra azy
ny amin’ny fahotana vitany;
ka hitsangana hiampanga azy ny helony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.