Isaià 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fiderana an’Andriamanitra mpamonjy

1Amin’izany andro izany,

ry olona voaavotra,

dia hiteny ianao ka hanao hoe:

«Midera Anao aho, TOMPO ô;

fa na tezitra tamiko aza Ianao,

dia afaka ny fahatezeranao

ka nampionona ahy Ianao.

2Indro Andriamanitra namonjy ahy,

matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony.

Ny TOMPO no heriko sy fidèrako,

fa Izy no mpamonjy ahy.»

3Amim-pifaliana no hantsakanareo

eo amin’ny loharanom-pamonjena.

4Amin’izany andro izany

dia hiteny ianareo ka hanao hoe:

«Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany,

ambarao amin’ny vahoaka rehetra ny asany,

ampahatsiarovy azy

fa tsy hay takarina ny anarany.

5Ankalazao an-kira ny TOMPO

fa asa lehibe no nataony;

ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»

6Mifalia sy miravoravoa,

ry mponina ao Tsiôna,

fa lehibe Ilay eo anivonareo,

dia Ilay Masin’i Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help