Bena-Siràka 18 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Lehibe Andriamanitra

1Ilay velona mandrakizay no nahary

ny zavatra rehetra tsy an-kanavaka.

2Ny Tompo irery no hambara fa marina.

4Tsy misy olona notendreny hilaza ny asa hataony;

zovy àry no hahita ny zava-dehibe hoefainy?

5Iza no hahatombana ny herin’ny fiandrianany?

Zovy no hahavisavisa ny indrafo nasehony?

6Tsy misy hanalana tsy misy hampiana

sady tsy azo takarina velively

ny zava-mahagaga ataon’ny Tompo.

7Rehefa tapitra mikaroka ny olombelona,

dia vao eo amin’ny manomboka ihany;

ary nony mijanona izy,

dia mbola sahiran-kevitra ihany.

Bitika ny olombelona

8Inona moa ny olombelona? Ary inona no ilana azy?

Midika inona moa ny soa vitany na ny ratsy ataony?

9Ny isan’ny andro iainan’ny olombelona

dia zato taona raha betsaka indrindra.

10Rano indray mitete avy amin’ny ranomasina

na koa fasika madinika anankiray monja:

toy izany ireo taona vitsivitsy iainany

raha miolotra amin’ny mandrakizay.

11Izany no andeferan’ny Tompo amin’ny olombelona

sy andefasany famindrampo hitosaka aminy.

12Hitan’ny Tompo sady fantany tsara

fa mahonena ny fiafaran’ny olombelona;

izany no amelany heloka azy

amin-kalalaham-po tokoa.

13Ny olombelona mamindrafo amin’ny namany akaiky,

fa ny Tompo kosa mamindrafo amin’ny olona rehetra;

manafay Izy sady manabe sy mampianatra,

ary manao tahaka ny mpiandry ondry Izy

ka mamerina ao am-bala ny andian’ondriny.

14Amindrany fo izay manaiky hobeaziny

sy izay dodona manatanteraka ny didiny.

Ny fomba fanome

15Anaka, ny soa ataonao

aoka tsy harahin-datsa;

ary ny fanomezanao isan-karazany

aoka tsy harahin-dromoromo!

16Ny teny anankiray tononina

dia mety ho tsara kokoa noho ny fanomezana;

toy ny ando mamelombelona

aorian’ny hafanana manko izany.

17Eny tokoa fa ny teny anankiray

dia mety zava-tsoa kokoa noho ny fanomezana.

Ny olona izay be fitiavana

dia manambatra azy roroa.

Ny fahamalinan’ny olon-kendry

19Aoka hamotopototra ianao

alohan’ny hitenenanao;

ary karakarao tsara ny tenanao

alohan’ny hahatonga ny aretina.

20Aoka hanao fandinihan-tena ianao

alohan’ny fitsaran’Andriamanitra;

ary amin’ny fotoana hanadihadiany anao,

dia hahazo famelan-keloka aminy ianao.

21Aza miandry harary vao manetry tena ianao;

asehoy fa miverina amin’Andriamanitra ianao,

raha sendra tafalatsaka tamin’ny fahotana.

22Aza avela hisy zavatra manankantsakana anao

tsy hanefa ny voadinao amin’ny fotoanandrony;

ary aza miandry antomotra ho faty ianao

vao hanefa izany voadinao izany.

23Alohan’ny hanao voady, dia aoka ho vonona ianao;

fa aza manao toy ny olona maka fanahy ny Tompo.

24Hevero fa amin’ny andro farany ianao

dia mety hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra;

ary hevero koa ny fotoana hamaizany

ka hihodinany tava tsy hijery anao.

25Amin’ny fotoana ananam-be dia hevero

ny fotoana mosarena mety ho tonga;

amin’ny fotoana ananan-karena dia hevero

ny fahantrana sy fihafiana mety hidona.

26Hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva

dia mety mivadibadika eo ny toetr’andro;

mety hiova faingana toy izany koa

ny zava-drehetra eo anatrehan’ny Tompo.

27Mitandrin-tena hatraiza hatraiza ny olon-kendry;

ary amin’ny andro itaoman’ny fahotana azy,

dia miaro tena tsy hanao tsirambina izy.

28Ny olona mahira-tsaina rehetra

dia mahalala ny fahendrena

sady manome haja an’izay nahita azy.

29Ny olona nisaina tsara ny tenin’ireo

dia nanjary mahazo fahendrena koa,

ary namafy toy ny ranonorana

ireo oha-pitenenana tsara rindra.

Fifehezan-tena

30Aza mety hoentin’ny fitsiriritanao

ary asio fifehezana ny fanirianao.

31Raha ny fitsiriritanao no hanarananao fo,

dia hataony fihomehezan’ny fahavalonao ianao.

32Aza atao foto-pifalianao ny filibana isan-karazany

ary aoka ianao tsy hamato-tena hanefa ny saran’izany!

33Aza mampahantra tena misambo-bola

mba hanaovana fihinanam-be,

kanefa tsy misy na inona na inona

ao anatin’ny kitapom-bolanao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help