Fahendrena 15 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Fa Ianao, ry Andriamanitray ô, no tsara sady marina ary koa mahari-po, ka mitondra izao rehetra izao amim-pitiavana.

2Na dia manota aza izahay, dia mbola Anao ihany, satria ekenay ny fahefànao. Fantatray anefa fa isan’ny anao izahay, koa dia tsy te hanota aminao izahay.

3Ny mahalala Anao no tena fahamarinana; ary ny miaiky ny fahefànao no fototry ny tsy fetezana ho faty.

4Tsy voafitaky ny zavatra mampidi-doza noforonin’ny hairahan’olombelona izahay, na voasodokan’ny zava-poana nataon’ny mpanoso-doko manonofy ka mamokatra sary mifotetaky ny loko isan-karazany.

5Ny fahitana izany no manaitra ny filàn-dratsin’ireo adala ka mamelona ny faniriany endri-tsary maty tsy mananaina akory.

6Fa izay manao ireny sampy ireny na maniry azy na mivavaka aminy, dia samy mpitia ny ratsy ary mendrika fanantenana poakaty toy izany.

Hadalan’ny mpanefy tanimanga izay manamboatra sampy

7Indro mpanefy tanimanga iray izay miasa mafy mandity tanimanga malemy, ka mamolavola fitaovana isan-karazany fampiasantsika andavanandro. Iny tanimanga iny no amolavolany ireo kojakoja fampiasa amin’ny raharaha mihaja na izay fampiasa amin’ny raharaha tsotsotra. Fa ny mpanefy tanimanga ihany no manapaka ny amin’izay fampiasana azy avy.

8Ankoatra izany, mifofotra amin’ny asa tsy manjary izy, fa io tanimanga io ihany no mbola anamboarany andriamanitra sandoka. Ny tenany anefa vao tsy ela no nipoitra avy amin’ny tany ka hiverina faingana amin’ny tany izay nangalana azy rehefa hotakina aminy ny fanahy nampindramina azy.

9Saingy tsy mampaninona azy akory ny fahafatesana tsy azo ialana sy ny hafohin’ny fiainany, fa mifaninana ireo mpanefy volamena sy volafotsy izy ary maka tahaka ny mpandrendrika halimo ka mihevitra ho voninahitra ny mamolavola zavatra sandoka.

10Fa toy ny lavenona ihany ny fony; latsa-danja noho ny vovo-tany ny fanantenany ary tsy misy vidiny noho ny tanimanga ny fiainany.

11Satria tsy nahalala Ilay nanao azy izy, dia Ilay nampisy fanahy miasa tao aminy ary nanome azy fofonaina mahavelona.

12Noheveriny ho kilalao ny fiainantsika ary nataony ho tsena hitadiavan-tombombarotra ny fisiana. Ny zava-drehetra, hoy izy, dia tokony hahazoan-tombontsoa, eny fa na dia ny ratsy aza.

13Mahafantatra tsara noho ny besinimaro anefa io lehilahy mpanefy io fa manota raha manamboatra kojakoja mora vaky sy sarivongan-tsampy avy amin’ny akora tany iray ihany.

Feno hadalana ny fanompoan-tsampin’ny Ejiptianina

14Kanefa, Tompo ô, tena adala avokoa sady latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza ireo fahavalo sy mpamoritra ny vahoakanao.

15Nataony ho andriamanitra avokoa ireo sampin’ny firenena izay mana-maso ihany fa tsy mahita, manana orona fa tsy miaina, manan-tsofina fa tsy mandre, manan-drantsan-tanana fa tsy mahatsapa ary manan-tongotra fa tsy mahay mandeha.

16Satria olombelona manam-pofonaina nindramina no nanao sy namolavola ireny. Fa tsy misy olona afaka mamolavola andriamanitra mitovy aminy akory.

17Noho izy mety maty, dia asa maty no azon’ny tanan-dratsiny atao. Fa na izy aza dia ambony noho ireo zavatra ivavahany, satria mba manana aina ahay ny tenany, fa ireo kosa dia tsy hanana izany mihitsy.

18Ivavahany koa ireo biby faran’izay maharikoriko, dia ireo biby ratsy indrindra amin’ny fahadalany.

19Tsy mba misy hatsarana mahasintona toy ireo biby hafa eo aminy, fa nidifiany aza ny fankatoavana amam-pitahian’Andriamanitra.

I Israely novelomina fa ny fahavalony kosa mosarena
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help