Bena-Siràka 16 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tsara fo sady fatra-pitandro ny rariny Andriamanitra

1Aza maniry zaza maro tsy mahasoa,

ary aza ifalianao ny zanaka tsy tia vavaka.

2Na dia maro aza ireo, aza ifalianao ny aminy

raha tsy momba azy ny fanajana ny Tompo.

3Aza ianteherana ny fiainan’ireo zaza ireo,

aza itokiana akory ny hamaroan’isany;

aleo manko anankiray marin-toetra

toy izay arivo amin’ireo tsy mahasoa ireo;

aleo mihitsy aza maty tsy niteraka

toy izay mamela zanaka tsy tia vavaka.

4Ny olona iray mahira-tsaina

dia hahabe mponina ny tanàna iray;

fa ny andian’olon-dratsy kosa

hahatonga azy ho tanàna aolo.

5Maro ny zavatra mitovy amin’izany, efa hitan’ny masoko;

ary mbola misy aza manaitra noho izany efa ren’ny sofiko.

6Eo amin’ny fivorian’ny mpanota

no mirehitra ny afon’Andriamanitra;

ary eo amin’ny vahoaka mpikomy

no hiredaredan’ny fahatezerany.

7Ny Tompo tsy namela heloka an’ireo rapeto fahiny,

izay natoky ny herin’ny tenany ka nikomy taminy.

8Ilay tanàna nonenan’i Lôta dia tsy notsitsîn’ny Tompo,

satria naharikoriko Azy ny fiavonavonany sahy loatra.

9Tsy nananan’ny Tompo indrafo ireo Kanahanita

izay vahoaka voatolotra haringana

ka nofongorana noho ny fahotany.

10Tsy nananany indrafo toy izany koa

ireo vahoaka israelita andiany eninjato,

izay samy maty noho ny ditram-pony avy.

11Na anankiray ihany aza no mafy hatoka,

dia mahagaga loatra raha ho afa-maina izy,

satria samy ao amin’ny Tompo avokoa

na ny indrafo na ny fahatezerana:

mahery mamela heloka Izy

fa mandraraka ny fahatezerany koa.

12Araka ny haben’ny indrafony no hamafin’ny famaizany;

hotsarainy araka ny asany avy ny olombelona.

13Ny mpanota tsy ho afa-mandositra

miaraka amin’ny remby azony;

ny fahari-pon’ny olona tia vavaka kosa

dia tsy ho diso fanantenana.

14Ny Tompo dia hanome sehatra hatrany

hanaovana asa fiantrana isan-karazany;

ka samy araka ny asa nataony avy

no hahazoan’ny tsirairay valiny.

Tsy misy takona amin’Andriamanitra

17Aza manao hoe: «Hiafina lavitra ny Tompo aho;

iza moa, avy any ambony any, no hahatsiaro ahy?

Ho hadino ao anaty vahoaka marobe ao aho;

satria zinona moa izao tenako izao

ao anatin’ny voaary tsy hita lany?

18Indro ny lanitra sy ny faritra ambony lavitra any

mbamin’ny tany sy ny hantsan-dranomasina

fa mihozongozona rehefa tsidihin’ny Tompo;

19ny tendrombohitra sy ny fanambanin’ny tany

dia indray mihorohoro rehefa jereny.

20Koa tsy raharahain’Andriamanitra akory aho

ary tsy mampiraika Azy ny fitondrantenako.

21Raha manao ratsy aho, tsy misy hahita ahy;

ary raha mandainga miafina aho, tsy misy hahalala.

22Iza no hanambara amin’Andriamanitra

ny zavatra tsara mba nataoko?

Ary inona no azoko andrandraina

amin’ny fitandremana ny didiny?»

23Izany no fihevitry ny olona tsy ampy fisainana;

hadalana no hany eritreretin’ny ketrina maniasia.

AMBOARAM-PAMPIANARANA FAHAROANy fahendren’Andriamanitra eo amin’ny fahariana

24Mba mihainoa ahy, anaka, ary raiso ny fahaizako;

ka aoka hifantohan’ny fonao ny lahateniko!

25Fanabeazana voalanjalanja no hasehoko,

ary fahaizana marim-pototra no hambarako.

26Tamin’ny naharian’ny Tompo azy

no nisian’ireo asany hatrany am-piandohana;

ary hatramin’izany nanaovany azy izany

no nanavahany ny zavatra ho isan-tokony.

27Nataony hirindra maharitra mandrakizay ireo planeta

hatrany am-piandohany ka hatramin’ny hoaviny elabe any;

tsy mahatsiaro sasatra na noana ireo

ary tsy mba mandao ny anjara asany.

28Tsy mbola nifandona na oviana na oviana ireo

ary tsy mbola nisy nitsipaka ny baikon’Andriamanitra.

29Avy eo ny Tompo dia nitsinjo ny tany

ka nanome azy ny zava-tsoany mitafotafo;

30nofenoiny biby isan-karazany ny vohony,

ka amin’ny tany no tsy maintsy hiverenan’ireny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help