Salamo 57 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ilay Andriamanitra Avo Indrindra no antsoiko(57.8-12; jereo Sal 108.2-8)

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon’i Davida fony izy nandositra lavitra an’i Saoly ka niery tao anaty zohy

.

2Iantrao aho, Andriamanitra ô, iantrao

satria Ianao no fialofako;

eo ambany elatrao tokoa no ialofako

mandra-pidifin’ny loza.

3Ilay Andriamanitra Avo Indrindra no antsoiko,

dia ilay Andriamanitra manao izay mahasoa ahy.

4Hirahiny avy any an-danitra anie ny famonjena ahy,

hataony ho afa-baràka anie ireo mpanenjika ahy!

Fiatoana

Eny, hirahin’Andriamanitra ho amiko anie

ny fitiavana amam-pahamarinany!

5Izaho monina afovoan’ny fahavalo masiaka

izay tahaka ny liona mandripaka olona:

toy ny lefona na zana-tsipîka ny nifiny,

toy ny sabatra maranitra ny lelany.

6Andriamanitra ô, misandrata Ianao

hanerinerina any an-tampon’ny lanitra.

Aoka anie ny voninahitrao

hamiratra amin’ny tany tontolo!

7Ireo fahavaloko efa namelatra

fandrika harato tamin’ny lalako

mba hampitanondrika ahy;

nihadiany longoa teo anoloako,

kanjo izy ihany no latsaka tao.

Fiatoana

8Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko

ka hihira sy hankalaza Anao amin-tsalamo aho.

9Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,

fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.

10Tompo ô, vory vahoaka no hiderako Anao

ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,

11satria lehibe tafapaka amin’ny lanitra ny fitiavanao

ary avo tafapaka amin’ny rahona ny fahamarinanao.

12Andriamanitra ô, misandrata Ianao

hanerinerina any an-tampon’ny lanitra;

aoka anie ny voninahitrao

hamiratra amin’ny tany tontolo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help