Bena-Siràka 22 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny Kamo

1Sahala amin’ny vato feno diky maloto ny kamo,

ka akorain’ny besinimaro izy satria afa-baràka.

2Sahala amin’ny avosan-jezika ny kamo,

ka izay mandray izany hanifikifi-tanana.

Ny zaza mahamenatra ray aman-dreny

3Ny zazalahy ratsy taiza

dia henatra ho an-drainy;

ny zazavavy izay toy izany koa

dia teraka hanome fatiantoka azy.

4Ny zazavavy misaina dia hahazo vady;

fa ny zazavavy ahazoan-kenatra kosa

dia mampalahelo ny ray niteraka azy.

5Ny vehivavy tsy valahara dia henatra

na ho an’ny rainy na ho an’ny vadiny;

ka samy hanamavo azy izy roa tonta.

6Ny fananarana dia tsy sahaza azy velively

toy ny mozikam-pifaliana eo anivom-pisaonana;

fa ny mampiasa tsora-kazo sy famaizana kosa

no fahendrena amin’ny fotoan-drehetra.

Tsy laitra anarina ny olona adala

9Ny mampianatra olona adala

dia toy ny mamitrana vilany tany vaky

na toy ny mamoha mpatory

rendrika lalina amin’ny torimaso.

10Toy ny miteny amin’olona rendremana

ny miresaka amin’olona adala,

ka farany izy vao hanao hoe: «Ahoana ange?»

11Itomanio ny maty, satria very fahazavana izy;

itomanio koa ny olona adala satria very saina izy;

itomanio moramora kokoa ny maty

satria nahazo fitsaharana izy;

fa ny fiainan’ny olona adala kosa

dia ratsy noho ny fahafatesana.

12Ny fisaonana ny maty dia maharitra fito andro ihany.

fa ny fisaonana ny olona adala na ny tsy mpivavaka kosa

dia maharitra mandritra ny andro rehetra iainany.

13Aza lava resaka amin’olon adala

ary aza miara-dalana amin’ny tsy manan-tsaina;

mitandrema tena aminy mba tsy ho sahirana ianao

ary tsy ho voatolony rehefa mihifikifika izy;

ihodiviro izy, dia hahita fitsaharana ianao

sady tsy hotsiravina mahita ny hafokàny.

14Inona moa no zavatra mavesatra noho ny firaka?

Tsy inona akory izany fa ny olona adala.

15Na ny fasika iray kitapo na ny sira iray gony na ny vongam-by

dia mora entina kokoa noho ny olona tsy manan-tsaina.

16Ny hazo voarafitra mafy eo amin’ny taon-trano

dia tsy mba ho ravan’ny horohoron-tany;

toy izany koa ny olona miraiki-po mafy

amina fikasana voahevitra tsara

dia tsy mba hanan-tahotra akory

na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.

17Ny olona miankim-po tsara

amin’ny fotokevitra voasaintsaina

dia mitana mafy toy ny lalotra voaharo fasika

izay mandravaka rindrina malambolambo.

18Tsy mahatanty ny rivotra mitsoka mahery

ny vatokely apetraka ambonin’ny tamboho;

toy izany koa tsy mahatoha ny tahotra mianjady

ny fo ampihorohoroin’ny hevitra adaladala.

Firaiketam-po amin’ireo sakaiza

19Izay manindrona ny maso hampilatsa-dranomaso;

ary izay manindrona ny fo hampamoaka alahelo.

20Mampandositra ny vorona ny mitora-bato azy,

ary mandrava fisakaizana ny manome tsiny sakaiza.

21Raha nanatsoaka antsy hanambana sakaiza ianao,

dia aza manary toky fa mety hisy ihany ny hiverenany.

22Raha niloa-bava hifanditra amin-tsakaiza ianao,

dia aza matahotra fa azo atao ny mihavana aminy indray;

fa ny fandatsana aman’avonavona

na ny fanambarana tsiambaratelo

na ny famelezana atao am-pitaka

no mampandositra ny sakaiza rehetra.

23Aoka ianao hahatoky ny namanao

raha mbola ao anaty fahantrana izy,

mba hahazoanao tombontsoa miaraka aminy

rehefa mby amin’ny fanambinana izy;

aza mandao azy amin’ny andro fitsapana azy,

mba hanananao anjara rehefa handray lova izy.

24Ny setroka na ny etona avy amin’ny memy

dia misondrotra alohan’ny afo;

toy izany koa ny teny manala baràka

dia mipoaka alohan’ny fandatsahan-dra.

25Tsy hahamenatra ahy ny miaro sakaiza

ary tsy hiery velively hanalavitra azy aho;

26fa raha misy kosa loza manjo ahy avy amin’ny ataony,

dia hitandrin-tena aminy avokoa izay mandre izany.

Vavaka mba hahay mifehy tena

27Irîko hisy fiambenana eo amin’ny vavako

sy tombokasem-pahamalinana eo amin’ny molotro

mba hisakana azy tsy hahasolafaka ahy

ary hisakana ny teniko tsy hahavery ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help