Genesỳ 49 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Notsofin’i Jakôba rano ireo zanany roa ambin’ny folo

1Nantsoin’i Jakôba ireo zanany ka nilazany hoe:

–Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo

izay zavatra hiseho aminareo any aoriana.

2Mivoria ianareo ka mihainoa, ry zanakalahin’i Jakôba,

eny, mihainoa an’i Israely rainareo.

3Ianao, ry Reobena, no lahimatoako,

voalohan-terako tao anatin’ny heriko.

Ihoaranao ny rahalahinao

amin’ny fahamendrehana sy ny hery.

4Misamboaravoara toy ny ranon-driaka ianao;

kanefa tsy ho lohalaharana intsony ianao,

satria niakatra teo am-pandriako

ka nandoto ny farafarako tamin’ny vadiko.

5I Simehôna sy i Levỳ dia mpirahalahy

niray tetika hanao herisetra;

6kanefa tsy te handray anjara amin’ny fiokoany aho

ary tsy te hanatrika ny fivoriany,

satria nentanim-pahatezerana izy

ka namono olona ho faty

ary tia setrasetra ka nitraingo ombilahy.

7Ho voaozona anie ny hatezerany tafahoatra

ary ny havinirany tsy mifaditrovana.

Haparitako ny taranany

ka haeliko eran’i Israely.

8Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao;

Hofolahinao kosa ny hatok’ireo fahavalonao,

ka hiankohoka eo anatrehanao ireo ralahahinao.

9Ry Joda zanako, toy ny liona tanora ianao,

dia liona avy niremby ka mamonjy fierena;

mitorevaka toy ny lion-dahy i Joda ka matory,

ary mamitsaka toy ny liom-bavy,

ka iza no hampitsangana azy?

10Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana,

ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana

mandra-pahatongan’ilay tena tompony

izay hankatoavin’ny firenena rehetra.

11Hihanaka dia hihanaka ny voaloboka,

ka hafatony amin’ny tahom-boaloboka ny borikiny

ary amin’ny sampam-boaloboka ny zana-borikiny;

divay no hanasany akanjo

ary ranom-boaloboka no hanasany fitafiana.

12Ny divay no hampibaliaka tsara ny masony;

ny ronono kosa no hampibotsiaka ny nifiny.

13I Zebolòna dia honina eo amoron-dranomasina,

dia eo amin’izay hisy seranan-tsambo;

hivelatra hatrany Tsidôna ny faritaniny.

14I Jisakara dia toy ny boriky matanjaka,

mandry eo anivon’ny valany

izay misy fefy roa sosona.

15Hitany fa tsara ny toerana

ary mahafinaritra ny tany.

Nanongilan-tsoroka hampitondraina entana izy,

ka tonga miasa mafy toy ny mpanompo.

16I Dana dia hifehy ny vahoakany

tahaka ny foko hafa ao amin’i Israely.

17Toa bibilava mamitsaka eny an-dalana izy,

ary tahaka ny menarana eo amoron-dalana;

kaikerin’ny menarana ny traingon-tsoavaly

ka mianjera mitsilany ny mpitaingina azy.

18Manantena ny famonjenao aho, TOMPO ô!

19I Gada dia notafihin’andia-mpandroba,

koa manao valim-panafihana sy manenjika azy.

20I Asera dia hanan-tany mahavokatra tokoa,

ka hahazoana mofo mendrika mpanjaka.

21I Naftalỳ dia toy ny osivavy mikarenjy

izay manan-janaka tsara tarehy.

22I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra

izay mirobona eo akaikin-doharano

ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.

23Nampahory azy imbetsaka ireo mpitifitra tsipîka,

ka nandefa zana-tsipîka hamelivelezana azy.

24Kanjo nateza mafy ny tsipîkan’i Jôsefa,

ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany.

Noho ny fiarovan’ilay Andriamanitra maherin’i Jakôba,

noho ny anaran’ilay Mpiandry

izay vatolampy iankinan’i Israely,

25amin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny rainao

izay mamonjy anao,

amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha

izay mitahy anao,

raiso ny fitahiana avy amin’ny orana

izay mirotsaka avy any an-danitra,

raiso ny fitahiana avy amin’ny rano

izay mihanaka ao amin’ny fanambanin’ny tany

ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka

ny vehivavy sy ny biby fiompy.

26Ny tsodrano omen’ny rainao dia mihoatra

noho ny zava-tsoan’ireo tendrombohitra fahagola

sy ny zava-tsoan’ireo havoana tranainy.

Hirotsaka eo an-dohan’i Jôsefa anie izany tsodrano izany,

dia eo an-dohan’ilay voafidy teo anivon’ny rahalahiny!

27I Benjamîna dia toy ny amboadia masiaka:

Ny maraina izy homan-dremby;

ny hariva, mizara babo.

28Izy rehetra ireo no foko israelita roa ambin’ny folo. Izany no teny nolazain-drainy taminy, fony izy nitsodrano azy. Eny, samy nomeny tsodrano manokana ny foko tsirairay avy.

Ny nahafatesan’i Jakôba

29Taorian’izany dia nanafatra ireo zanany i Jakôba ka nanao taminy hoe:

–Rehefa maty aho, dia aleveno any am-pasan-drazako, dia ilay zohy ao amin’ny sahan’i Hefrôna izay hetita,

30ilay zohy ao Makpelà akaikin’i Mamre, any amin’ny tany Kanahàna. Novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.

31Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny, i Itsehàka sy i Rebekà vadiny, ary tao koa no nandevenako an’i Leà.

32Ny saha sy ny zohy ao aminy dia novidîna tamin’ny Hetita.

33Rehefa vitan’i Jakôba ny hafatrafatra farany tamin’ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin’ny razany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help