Jeremià 45 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Hafatra ho an’i Baròka

1Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:

2–Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely momba anao, ry Baròka.

3«Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!»

4Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao:

«Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao

ary eo am-panongotana izay namboleko;

ary korontaniko ny tany tontolo.

5Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa

ho an’ny tenanao manokana?

Tsia, aza mitaky na inona na inona;

fa indro Aho hahatonga loza

ho amin’ny olombelona rehetra.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Kanefa izao no tombontsoa hanananao:

Hataoko velona aina ianao

any amin’ny toerana rehetra halehanao.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help