Habakòka 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Vavak’i Habakòka

1Izao no vavaka miendrika fitarainana nataon’i Habakòka mpaminany.

2TOMPO ô, efa reko izay nambaranao

ka dia raiki-tahotra aho.

TOMPO ô, enga anie ny asanao

mba ho velombelona hatrany

amin’izao andronay izao;

eny, amin’izao andronay izao

no ataovy fantatry ny olona izany.

Fa na dia tezitra aza Ianao,

asehoy anay ihany ny indrafonao.

3Tonga avy any Temàna Andriamanitra;

Ilay Andriamanitra masina no tamy

avy any an-tendrombohitra Paràna.

Manarona ny lanitra ny voninahiny

ary maneran-tany ny fiderana Azy.

4Famirapiratana toy ny fahazavana

no teo ambanin’Andriamanitra;

misy tanà-masoandro avy eo amin’ny tanany,

dia ny tanany izay iafenan’ny heriny.

5Areti-mandringana no alefany mialoha Azy,

ary tazomahery no mipoitra manaraka ny diany.

6Mihorohoro ny tany, rehefa mijadona Izy.

Vao jereny ny firenena, dia mangovitra.

Torotoro ireo tendrombohitra mandrakizay,

mietry ireo havoana fahagola,

dia ireo havoana fandalovany taloha.

7Hitako ny fahorian’ireo vahoakan’i Kosàna

sy ny horohoron’ireo mponin’i Midiàna.

8Moa ny ony va, TOMPO ô,

no irehetan’ny fahatezeranao

sa ny ranomasina no isafoahanao,

no dia ny rahona no toa kalesy tarihin-tsoavaly

itaingenanao mba hahazoam-pandresena?

9Nalanao sarona hohenjanina ny tsipîkanao;

ka dia ireo fianianana izay notononinao

no toy ny zana-tsipîka alefanao.

Tonga mitresatresaka ny tany

nikorianan’ny ranon-driaka.

10Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra;

mandrotsaka orambe ny rahona,

mirohondrohona ny ranomasimbe

ka manainga onja hatreny amin’ny lanitra.

11Noho ny zana-tsipîkanao mamiratra mitsoriaka,

noho ny lefonao manjelanjelatra mahajemby,

dia tsy nahahetsika ny masoandro sy ny volana.

12Mitety ny tany amim-pahatezerana Ianao,

ary manosihosy ny firenena amim-pahavinirana.

13Niainga hamonjy ny olonao Ianao,

eny, hamonjy ilay vahoaka voahosotrao.

Aonganao ny filohan’ny andian’olon-dratsy;

hatratỳ am-potony ka hatrany an-tampony

no amotehanao izany andian’olon-dratsy izany.

14Ny zana-tsipîkany ihany no anagorobahanao

ny lohan’ireo mpitari-tafika fahavalo.

Mibosesika toy ny tadio mahery izy,

ka faly hampihahaka anay toy ny ampombo

sady handevona mangingina izay resiny.

15Ny nanokafanao lalana

dia teo anivon’ny ranomasina;

ny soavalim-pahavalo kosa tafahitsoka

tao amin’ny fisamboaravoaran’ny onja mahery.

16Reko avokoa izany ka dia mangotika aho.

Mipararetry ny tahotra koa ny molotro.

Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra.

Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako

ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra

ity vahoaka izay mamoritra anay ity.

17Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy

ary tsy manome voa ny voaloboka,

na dia tsy mahavanona aza ny ôliva

ary tsy mahavokatra hanina ny saha,

na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra

ary tsy misy omby intsony ao am-bala,

18dia mbola ho faly sy ravo ihany aho

satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy.

19Ny TOMPO Andriamanitra no heriko;

mampalady ahy toy ny dieravavy Izy

ka mampiriaria ahy eny an-kavoana.

Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin’ny valiha.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help