Salamo 35 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Fitarainan’ny tsy manan-tsiny nakarina fitsarana

1 Salamo nataon’i Davida.

TOMPO ô, tohero izay mpanohitra ahy

ary iadio izay miady amiko.

2Raiso ny ampinga kely sy lehibe

ka midira an-tsehatra hamonjy ahy.

3Arangarangao ny lefona sy famaky

ka sakano ireo mpanenjika ahy;

ary lazao ho tokin’aiko ny hoe:

«Izaho no ho mpamonjy anao!»

4Ho menatra sy ho afa-baràka anie

izay olona mitady hahafaty ahy!

Hihemotra sy hangaihay anie

izay mikasa hanao ratsy ahy!

5Aoka ho toy ny akofa aelin-drivotra ireo,

rehefa handroaka azy ny anjelin’ny TOMPO;

6ary aoka ho maizina sy halama ny lalany,

rehefa hanenjika azy ny anjelin’ny TOMPO!

7Satria tsy misy antony mitombina akory,

dia nanao fandrika hamelezana ahy ireo

ka nihady longoa hamandrihana ahy.

8Ho voan’ny loza tsy ampoizina anie izy,

ka ho tratry ny fandrika nataony ihany

sy hianjera amin’ny longoa nohadîny!

9Fa ny nataon’ny TOMPO kosa no hifaliako;

ary ny amin’ny famonjeny no hiravoravoako.

10Ny heriko tontolo no hilazako hoe:

«TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao

satria afahanao ny mahantra

amin’izay matanjaka noho izy;

eny, afahanao ny malahelo

amin’izay mandroba azy.»

11Vavolombelona mandainga no mitsangana,

ka zavatra tsy fantatro no iampangany ahy.

12Valiana ratsy ny soa nataoko,

hany ka mila hamoy fo aho.

13Raha narary izy ireo, dia nalahelo aho

ka nitafy lamba fisaonana ho marik’izany;

nampijaly tena tamin’ny fifadian-kanina aho

ary koa niondrika hivavaka ho azy,

14fa toy ny namana na mpiray tampo

no fitondràko azy tamin’izany;

nanjombona sy valaketraka aho

toy ny olona misaona ny reniny.

15Kanjo nony lavo kosa aho,

dia faly ireo sady mivorivory,

mivorivory mba hamely ahy;

vahiny tsy fantatro akory aza

no tsy mitsaha-mivazavaza amiko.

16Tahaka ny olona mihomehy lavo izy,

ka mihidy vazana ho fankahalana ahy.

17Tompo ô, mbola ho ela ve Ianao

no hitazam-potsiny?

Ny aiko tokana avoty amin’ny mpamely ahy

fa toa liona mierona mihitsy izy ireo;

18ka eo anivom-bahoakanao tafangona maro

no hiderako sy hankalazako Anao.

19Aza avela hanesoeso ahy

ireo mpandrafy tsy an-drariny;

aoka tsy hifanao pi-maso ahy

ireo mpankahala tsy amin’antony!

20Tsy mba miteny fihavanana izy,

fa mamoron-dainga hamelezana

an’ireo bonaika eo amin’ny tany.

21Nitsaontsaom-bava tamiko izy

ka nilaza hoe: «Akorinao izay!

Ny masonay no nahita ny nataonao!»

22Nefa Ianao, TOMPO ô, dia nahita izay niseho;

koa aza mangina, aza manalavitra ahy.

23Ry Andriamanitro sady Tompoko,

mifohaza sy midira an-tsehatra Ianao

mba hanome rariny ahy

ary koa mba hiaro ny zoko.

24TOMPO Andriamanitro ô, marina Ianao

ka ambarao ho tsy manan-tsiny aho,

fa aza avelanao ho fanesom-pahavaloko.

25Aoka izy tsy hiteny anakampo hoe:

«Hià! Azonay izy, ka nataonay teli-moka!»

26Ho menatra sy hangaihay avokoa anie

izay olona mifaly amin’ny fahavoazako;

ho safo-kenatra sy ho afa-baràka anie

ireo manandra-tena mirehareha amiko!

27Fa izay tia ny hahazoako rariny

dia aoka hanao horakora-pifaliana

sy ho falifaly hivolan-dava hoe:

«Lehibe tokoa ny TOMPO,

fa ny hiadanan’ny mpanompony

no zavatra tiany!»

28Izaho koa hankalaza ny fahamarinanao

sy hidera Anao isan’andro isan’andro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help