1Anaka, aza lavinao ny fiveloman’ny mahantra
ary aza mampipitrapitra maso ny tsy manana ianao;
2aza mampahory aina ny noana ianao,
ary aza mampangirifiry ny olona fadiranovana.
3Aza vao mainka mampisafoaka ny fo mangirifiry ianao,
ary aza mangataka andro rehefa hanome ho an’ny sahirana
4Aza atositosikao ny mpangataka ory,
ary aza iambohoan-tava ny mahantra.
5Aza iambohoanao fijery ny tsy manana,
ary aza avela hisy antony hanozonany anao;
6fa raha manozona anao amin’alahelom-po izy,
dia hohenoin’ilay Mpahary azy ny fivavahany.
7Ataovy mahafinaritra eo anivom-bahoaka ny toetranao,
ary aoka ianao hiondrika eo anoloan’ny lehibe!
8Manongilàna sofina hihaino ny mahantra ianao;
ary amin-kamorampo no amalio azy tenim-pihavanana.
9Afaho tsy ho voatanan’ny mpampahory azy ny ampahorîna;
ary aza resin-kenamaso ianao rehefa mitsara.
10Aoka ho toy ny ray amin’ny kamboty ianao,
ary ho toy ny vady manohana ny renin’ireo;
dia ho toy ny zanak’ilay Avo Indrindra ianao
ary hotiaviny mihoatra ny fitiavan-dreninao anao.
Fomba fanabeazan’ny Fahendrena11Manandratra an’ireo zanany ny Fahendrena
ary miahy an’izay mikatsaka azy.
12Izay tia Fahendrena, tia fiainana;
ary izay mifoha maraina hitady azy, ho heni-kafaliana.
13Izay mitazona ny Fahendrena
dia ny voninahitra no anjarany;
ka ny toerana izay handehanany
dia homban’ny Tompo fitahiana
.14Izay manompo ny Fahendrena
dia mivavaka amin’ilay Masina;
ary tia izay tia fahendrena ny Tompo.
15Izay mihaino ny Fahendrena, hitsara ara-drariny;
ary izay mifikitra aminy, hiorim-ponenana feizay.
16Izay matoky azy no hanana azy ho anjarany;
ary ny taranany dia mbola hitazona izany.
17Eo am-boalohany manko ny Fahendrena
dia hiaraka aminy hitety lalan-tsarotra;
avy eo izy hampiavy tahotra sy horohoro aminy
ary hampijaly azy amin’ny fifehezany
mandra-pahatongany azy ho mahatoky,
ka amin’ny didiny no hisedrany azy;
18rehefa izany, dia hiverina mivantana aminy indray Izy
ka hampifaly azy sy hamboraka aminy ny zava-miafiny.
19Raha mania kosa ilay olona, dia hilaozan’ny Fahendrena
ary havelany ho eo am-pelatanan’ny fahaverezana.
Henatra tena izy sy henamaso fotsiny20Tandrovy izay mety, ary fadio ny ratsy;
ary aza menatra ny amin’izany toetranao izany.
21Misy manko henatra mitarika amin’ny fahotana,
ary misy henatra ho voninahitra amam-pahasoavana.
22Aza mihenjana loatra amin’ny tenanao
kanefa aza asiana henatra mahatonga ho solafaka.
23Aza mihenahena amin’ny fotoana tokony hitenenana,
24satria amin’ny fiteninao no hahalalana ny fahendrenao,
ary amin’ny fivolananao no isehoan’ny fahaizanao.
25Aza manohitohitra ny marina;
noho ianao tsy ampy fahalalana
no aoka hampangasihasy anao!
26Aza menatra ny hiaiky heloka ianao,
ary aza mihambo hanoha ny alehan’ny ony.
27Aza mety manaiky olona adala,
ary aza resin-kenamason’izay manampahefana.
28Miadia hiaro ny marina mandra-pahafatinao,
dia hiady hiaro anao ny Tompo Andriamanitra.
29Aoka ianao tsy ho sahisahy miteny,
kanefa kamo sy mitaredretra manao!
30Aoka tsy ho toy ny liona ianao eo amin’ny ankohonanao,
kanefa olona kanosa eo amin’ny mpanomponao!
31Aoka ny tananao tsy hivelatra raha handray
kanefa hikombona kosa rehefa hamerina.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.