Salamo 138 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Midera Anao amin’ny foko manontolo aho

1 Nataon’i Davida.

Tompo ô, midera Anao amin’ny foko manontolo aho

sady mankalaza Anao eo anatrehan’ireo anjely;

2Miankohoka mitodika ny tempolinao masina aho

sy midera Anao noho ny fitiavanao mahatoky,

fa ny lazanao sy ny fampanantenànao

dia nataonao ambonin’ny zava-drehetra.

3Tamin’ny andro nitarainako, dia novalianao aho

ka nampitomboinao ny hery tao anatiko.

4TOMPO ô, hidera Anao avokoa ny mpanjakan’ny tany,

rehefa handre ny fampanantenana voalazanao.

5Hihira ny amin’ny sori-dàlanao izy ireo hanao hoe:

«Eny, lehibe ny voninahitry ny TOMPO!

6Fa na dia avo toerana aza IZY,

dia mijery ny manetry tena;

saingy ny mpiavonavona kosa

dia fantany avy eny lavitra eny.»

7Na mizotra eo anivom-pahoriana aza aho,

dia hamelombelona ny aiko Ianao;

na misafoaka amiko aza ny fahavaloko,

dia haneho hery hampandresy ahy Ianao.

8TOMPO ô, hotanterahinao amiko izany.

Maharitra mandrakizay ny fitiavanao, TOMPO ô,

ka aza atsahatra ny asa ataonao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help