1Ry fahafatesana ô, akory ity hangidin’ny
fahatsiarovana anao
ho an’ny velona am-piadanana ao anatin’ny fananany,
ho an’ny olona afaka ahiahy sy ambinina amin’ny zava-drehetra
sady mbola matanjaka no manao izay mahafinaritra azy!
2Ry fahafatesana ô, sitrako ny tendrinao
ho an’ny olona mahantra sy mihareraka
na efa tratra antitra sy vesaran’ahiahy isan-karazany
na mikomy sy tsy mahay mandefitra intsony.
3Anaka, aza atahorana ny fotoana voatendry
hahafatesanao;
tsarovy ireo nialoha anao sy izay ho avy any aoriana.
4Tendry ampiharin’ny Tompo
amin’izay mananaina rehetra izany;
ka nahoana moa no holavinao
ny sitrapon’ilay Avo Indrindra?
Na folo taona no efa niainanao
na zato taona na arivo taona,
dia tsy horaharahaina izany
any amin’ny toeran’ny maty any.
Ny sazy hihatra amin’ny tsy mpivavaka(41.5-7; jereo 23.24-25)5Zaza maharikoriko toetra ny zanaky ny mpanota
izay miaina ao an-tranon’ny tsy mpivavaka.
6Ho rava no alehan’ny lovan’ireo zanaky ny mpanota,
ary fahafaham-baràka no miraikitra amin’ny taranany.
7Ny ray tsy mpivavaka dia homen-janany tsiny,
satria io rainy io no mahatonga azy ho afa-baràka.
8Mampalahelo ianareo, ry olona tsy mpivavaka
izay efa nahafoy ny lalànan’Andriamanitra Avo Indrindra.
9Raha teraka ianareo, dia teraka hiharan’ny ozona;
raha ho faty ianareo, dia ny ozona no ho anjaranareo.
10Izay rehetra avy amin’ny tsinontsinona
dia hiverina amin’ny tsinontsinona;
toy izany no alehan’ny tsy mpivavaka
izay manomboka iharan’ny ozona
ka miafara amin’ny faharavana.
Aoka ho tsara laza(Jereo Ohab 10.7; Kôh 7.1; Ben-Sir 44.14)11Misaona ny olona noho ny hanjo ny vatana,
fa tsy ho levona kosa ny lazan’ny mpivavaka.
12Imasoy tokoa ny hanan-daza tsara
fa haharitra hanjohy anao izany,
mihoatra noho ny vongam-bolamena arivo.
13Andro azo isaina ny hoe fiainana sambatra,
fa ny laza tsara kosa maharitra mandrakizay.
Henatra marim-pototra(41.16–42.1; jereo 4.20-21)14Tandremo amim-piadanana, rey anaka, ny fampianarako:
ny fahendrena afenina sy ny rakitra tsy hita,
inona no tombontsoa azo avy amin’izy roa tonta?
15Aleo olona manafina ny hadalàny
toy izay olona manafina ny fahendreny.
16Holazaiko aminareo ny zavatra tokony hahamenatra,
satria tsy tsara fitahiry avokoa ny karazan-kenatra;
sady tsy tombana mahatoky hatrany
no ataon’ny besinimaro amin’ny zava-drehetra.
17Manàna henatra ny amin’ny fitondrantena ratsy
eo anatrehan’ny ray aman-dreny
na ny amin’ny filazana lainga
eo anatrehan’ny lehibe sy manampahefana;
18manàna henatra ny amin’ny fanaovan-keloka
eo anatrehan’ny mpitsara sy ny olon-dalàna,
na ny amin’ny fandikana lalànan’Andriamanitra
eo anatrehan’ny fiangonana sy ny vahoaka;
manàna henatra ny amin’ny famitahana
eo anatrehan’ny namana aman-tsakaiza,
19na ny amin’ny fanaovana halatra
eo anatrehan’ny mpiara-monina.
Ataovy henatra ny mandrava fianianana na fifanekena,
ny manatsotra tanana hangataka mofo fiantrana
na ny mandà hanome izay angatahina aminareo,
20ny tsy mamaly an’izay miarahaba anareo
na ny mifantoka mijery vehivavy janga;
21ataovy henatra ny tsy miraika amin-kavana,
na ny maka ny anjara izay nomena ny hafa,
ny mifantoka mandinika vehivavy vadin’olona,
22na ny mivarilena amin’ny mpanompovavinareo
sy ny tamàna eo akaikin’ny fandriany.
Ataovy henatra ny manao teny mandatsa
eo anatrehan’ny sakaizanareo;
indrindra aza manao fandatsana,
rehefa avy nanome zavatra azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.