Apokalipsy 19 - Malagasy Protestant Bible 2011

Haleloia!

1Rehefa afaka izany dia nahare ohatra ny feon’ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho niteny hoe:

Haleloia!

Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika

2fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony.

Nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy,

dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany

ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony

izay nalatsaky ny tanany.

3Dia niteny fanindroany ireo hoe: Haleloia!

Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna!

4Ary ny loholona efatra amby roapolo sy ny zavamananaina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ka niteny hoe: Amena! Haleloia!

5Ary nisy feo nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianana niteny hoe:

Miderà an’Andriamanitsika

ianareo mpanompony rehetra,

dia ianareo izay matahotra Azy,

na kely na lehibe!

6Dia nandre feo ohatra ny feon’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, niteny hoe:

Haleloia!

Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no nampiorina ny fanjakany.

7Aoka isika hifaly sy hiravoravo

ka hanome voninahitra Azy

fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

ka efa niomana ny vadiny.

8Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy.

Fa ny rongony fotsy madinika dia ny asa marina ataon’ny olona masina.

9Hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry! Ary hoy indray izy tamiko: Ireo dia teny marin’Andriamanitra.

10Dia niankohoka teo amin’ny tongony aho mba hivavaka taminy. Kanefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao! Fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ireo rahalahinao izay mitana ny fanambaràna an’i Jesosy. Andriamanitra ihany no ivavaho! Fa ny fanambaràna an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana.

Ilay mpitaingina ny soavaly fotsy

11Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, koa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.

12Ny masony dia toy ny lelafo ary tamin’ny lohany nisy diadema maro; ary Izy dia manana anarana voasoratra izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ny tenany ihany

13ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy. Ny anarany dia atao hoe ny Tenin’Andriamanitra.

14Ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.

15Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy dia hitondra azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsakakitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha.

16Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.

17Ary hitako fa indro, nisy anjely iray koa nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny tamin’ny voromanidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia ka miangòna ho amin’ny fanasana lehibe ataon’Andriamanitra

18mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny mpifehy arivo, ny nofon’ny mahery, ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny olona rehetra, na olona afaka, na andevo, na kely na lehibe.

19Ary hitako ilay bibidia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany tafangona mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ny miaramilany.

20Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay noentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibidia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny. Natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roa.

21Ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help