Isaia 52 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny hiverenan’NY TOMPO any Jerosalema

1Mifohaza, mifohaza ianao!

Tafio ny herinao, ry Ziona ô!

Tafio ny fitafianao tsara tarehy,

ry Jerosalema tanàna masina ô!

Fa tsy hiditra ao aminao intsony

ny tsy voafora sy ny maloto.

2Ahintsano hiala amin’ny tenanao ny vovoka,

ka miarena

ary mipetraha, ry Jerosalema ô!

Vahao ny fatorana amin’ny tendanao,

ry Ziona, zanakavavy babo!

3Fa izao no lazain’NY TOMPO:

Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo,

koa tsy vola tsy harena koa ny hanavotana anareo.

4Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Tany Ejipta no nidinan’ny oloko tamin’ny voalohany mba hivahiny tany.

Nampahory azy tsy amin’antony koa ny Asiriana.

5Ary ankehitriny, inona no hataoko

hoy NY TOMPO,

fa nobaboina tsy amin’antony ny oloko?

Manakora ny mpanapaka eo aminy,

hoy NY TOMPO;

ary mandrakariva, mandritra ny andro dia hamavoina ny anarako.

6Koa ny oloko dia hahalala ny anarako;

Eny, amin’izany andro izany dia ho fantany

fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho!

7Akory ny hatsaran’ny fandehan’irỳ mitondra teny soa mahafaly

erỳ an-tendrombohitra

sady mitory fiadanana,

dia izay mitondra teny soa mahafaly

sady mitory famonjena;

eny, izay miteny amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!

8Injany ny feon’ny mpitilinao!

Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby;

fa ho faly izy mahita samy imaso

ny hiverenan’NY TOMPO ho any Ziona.

9Velomy ny hobinareo rehetra,

ry toerana rava any Jerosalema!

Fa NY TOMPO efa nampionona ny olony

sady efa nanavotra an’i Jerosalema.

10NY TOMPO efa nampiseho ny sandriny masina

teo imason’ny firenena rehetra;

ary ny faran’ny tany rehetra dia hahita

ny famonjen’Andriamanitsika.

11Mialà, mialà ianareo, mivoaha tao!

Aza mikasika izay maloto!

Mivoaha tao aminy!

Midiova ianareo

izay mitondra ny fanaky NY TOMPO.

12Fa tsy tampoka no hivoahanareo,

ary tsy amin’ny fandosirana no handehananareo;

fa NY TOMPO no hitarika anareo eo aloha,

ary Andriamanitry ny Israely no ho vodilalanareo.

Ny fanaovana tsinontsinona ny Mpanompon’NY TOMPO sy ny fanamarinana azy

13Indro, hambinina ny Mpanompoko;

hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.

14Fa toy ny nigagan’ny maro Anao,

simba ny tarehiny ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory,

ary ny endriny dia ohatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona.

15Toy izany no hampitalanjonany ny firenena maro.

Hitampim-bava Aminy ny mpanjaka,

satria izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany

ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help