Jeremia 49 - Malagasy Protestant Bible 2011

Faminaniana ny amin’i Amonita

1Ny amin’ny taranak’i Amona.

Izao no lazain’NY TOMPO:

Moa tsy manan-janakalahy va Israely?

Ary tsy manan-kandova va izy?

Koa nahoana i Gada no lasan’ny mpanjakany?

Ary nahoana ny vahoakany no monina ao amin’ny tanànany?

2Koa indro, avy ny andro,

hoy NY TOMPO,

izay hampandrenesako akoran’ady amin’ny famelezana an’i Raba an’ny taranak’i Amona,

ho tanàna haolo tanteraka izy,

hodorana amin’ny afo ny vohitra miankina aminy;

ary haka indray ny anjara lovany

amin’ireo izay nandroba azy ny Israely,

hoy NY TOMPO.

3Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava i Ay!

Miantsoantsoa mafy, ianareo zanakavavin’i Raba!

Misikìna lamba fisaonana ianareo;

manaova fisaonana

ary mandehandehana eo anaty fefin’ny manda;

fa lasan-ko babo ny mpanjakany

sy ny mpisorony ary ireo mpanapaka azy.

4Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao,

dia ny lohasahanao mahavokatra be, ry zanakavavy mpikomy,

izay mitoky amin’ny harenany

ka miteny hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?

5Indro Aho hahatonga tahotra aminao

avy amin’izay rehetra manodidina anao,

hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao;

ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo rehetra

sady tsy hisy hamory izay mandositra.

6Ary rehefa afaka izany

dia hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany ny taranak’i Amona,

hoy NY TOMPO.

Faminaniana ny amin’i Edoma

7Ny amin’i Edoma.

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana?

Tsy misy tolo-tsaina intsony va avy amin’ny olon-kendry?

Lany va ny fahendreny?

8Mandosira, miverena ianareo,

mamitsaha ao amin’ny lalina,

ry mponina any Dedana,

fa ataoko mihatra amin’i Esao ny loza,

dia ny andro hamaliako azy.

9Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka

dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy;

raha avy alina ny mpangalatra

dia tsy hijanona handrava izy raha tsy afa-po.

10Izaho dia nampitanjaka an’i Esao,

ary naharihariko ny fiereny

ka tsy mahazo miery intsony izy;

ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany

ka tsy ao intsony ireny.

11Ilaozy ny zanakao ho kamboty fa Izaho no hamelona azy,

ary aoka Izaho no hitokian’ny vadinao mpitondratena.

12Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, moa ho afa-maina va ianao? Tsy ho afa-maina ianao fa tsy maintsy hisotro tokoa.

13Fa ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO, fa ho tonga figagana i Bozra, ho tonga fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ho lao mandrakizay ny tanànany rehetra.

14Fa efa nahare filazana

avy tamin’NY TOMPO aho,

ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny Jentilisa hilaza hoe:

Mivoria ianareo ka mankanesa hamely azy

ary mitsangàna hanafika.

15Fa indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ny firenena ianao

ary fanazimbazimba eo amin’ny olona,

16ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato,

izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana,

ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao;

fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao

dia havariko avy eny ianao,

hoy NY TOMPO.

17Ho figagana i Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.

18Toy ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna teny akaikiny, hoy NY TOMPO,

no tsy hisian’ny olona honina any,

na zanak’olombelona hivahiny any.

19Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana

no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy,

satria hampandosiriko tampoka hiala tao Edoma,

ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy.

Fa iza no tahaka Ahy?

Iza no hifandahatra Amiko?

Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?

20Koa henoy ny tolo-tsaina

avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Edoma,

sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana:

Hoviraviraina tokoa ireny, toy ny kely indrindra amin’ny andian’ondry;

ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.

21Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany

dia nihorohoro ny tany;

ny feon’ny fitarainany dia re hatrany amin’ny Ranomasina Mena.

22Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin’i Bozra; ary amin’izany andro izany, ny fon’ny lehilahy maherin’i Edoma dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.

Faminaniana ny amin’i Damaskosy

23Ny amin’i Damaskosy.

Very hevitra i Hamata sy i Arpada

fa nandre filazana loza izy

ka kivy;

misamboaravoara ny ranomasina

ka tsy mety tony.

24Efa ketraka i Damaskosy ka mihodina handositra

fa tora-kovitra izy;

ary azon’ny faharariana sy ny fanaintainana

toy ny vehivavy eo am-piterahana.

25Nahoana re no tsy nilaozana

ny tanàna malaza,

tanàna nifaliako?

26Noho izany dia hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana avokoa ny miaramila rehetra amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

27Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin’ny mandan’i Damaskosy, handevona ny lapan’i Beny-Hadada.

Faminaniana ny amin’ny fanjakan’ireo Arabo

28Ny amin’i Kedara sy ny fanjakan’i Hazora, izay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona.

Izao no lazain’NY TOMPO:

Mitsangàna ianareo ka miakara hamely an’i Kedara

ary aringano ny zanaky ny Atsinanana.

29Halainy ny tranolainy sy ny ondry aman’osiny,

hoentiny ny ambaindainy mbamin’ny fanaka rehetra sy ny ramevany,

sady hiantsoantso hilaza aminy izy hoe: Misy fampangorohoroana manodidina!

30Mandosira ka mandehana lavitra! Mamitsaha any amin’ny lalina,

ry mponina any Hazora!

Hoy NY TOMPO;

fa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanao saina hamelezany anareo

sy namoron-kevitra hahavoa anareo.

31Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana

izay tsy manana ahiahy,

hoy NY TOMPO,

dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy

sady mitoka-monina.

32Ho babo ny ramevany

ary horobaina ny omby aman’ondriny betsaka,

haeliko ho any amin’ny rivotra rehetra

ireo voahety sisim-bolo;

ary hoentiko avy amin’ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy,

hoy NY TOMPO,

33Ary i Hazora dia ho fonenan’ny amboadia

sy ho tany lao mandrakizay;

tsy hisy olona honina any,

na zanak’olombelona hivahiny any.

Faminaniana ny amin’i Elama

34Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda:

35Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan’i Elama,

izay fototry ny heriny.

36Ary hitondra rivotra efatra

avy amin’ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an’i Elama.

Ary haeliko ho amin’izany rivotra rehetra izany izy ka tsy hisy firenena izay tsy halehan’ny voaroaka avy any Elama.

37Fa hampivadi-po an’i Elama eo anoloan’ny fahavalony

sy eo anoloan’izay mitady ny ainy Aho

ka hahatonga loza aminy,

dia ny firehetan’ny fahatezerako,

hoy NY TOMPO;

ary hampanenjehiko azy ny sabatra

mandra-pandaniko azy;

38Dia hapetrako ao Elama ny sezafiandrianako,

ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka,

hoy NY TOMPO.

39Nefa amin’ny ho avy

dia mbola hampodiko avy amin’ny fahababoany ihany i Elama,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help