Salamo 5 - Malagasy Protestant Bible 2011

Vavaky ny olona voaray ao amin’ny tranon’NY TOMPOHo an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny sodina. Salamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, henoy ny teniko,

fantaro ny fisentoako!

2Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô!

Fa Aminao no ivavahako.

3TOMPO ô, amin’ny maraina no andrenesanao ny feoko;

amin’ny maraina no manomana ny foko ho Anao aho ary miandry Anao.

4Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Ianao

ary tsy mba hitoetra eo Aminao ny ratsy.

5Tsy mahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha;

halanao ny mpanao ratsy rehetra.

6Haringanao ny mpiteny lainga.

Ataon’NY TOMPO ho zava-betaveta ny olona mpandatsa-dra sy mpamitaka.

7Fa izaho kosa dia hiditra ao amin’ny tranonao noho ny haben’ny famindramponao;

hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana Anao aho.

8TOMPO ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho fa misy ny mpampahory ahy;

ataovy marina eo anoloako ny lalanao.

9Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany.

Fandravana no ao anatiny,

fasana misokatra ny tendany

ary mandambolambo ny fiteniny.

10Melohy izy, Andriamanitra ô!

Aoka ny fikasany ihany no handavo azy!

Roahy izy noho ny habetsahan’ny fahotany,

satria efa nikomy Taminao.

11Dia hifaly izay rehetra mialoka Aminao;

hihoby mandrakariva izy.

Hiaro azy Ianao dia ho ravoravo Aminao

ireo izay tia ny anaranao.

12Fa Ianao TOMPO ô dia mitahy ny marina;

fankasitrahana no ataonao toy ny ampinga lehibe manodidina azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help