Isaia 17 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny loza hanjo an’i Damaskosy

1Ny loza hanjo an’i Damaskosy.

Indro, rava tsy ho tanàna intsony i Damaskosy;

eny, tonga korontam-bato izy sisa.

2Lao ny tanànan’i Aroera

ka ho an’ny andian’ny ondry aman’osy;

handry ao ireo ka tsy hisy hanaitaitra azy.

3Tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima,

na fanjakana ao Damaskosy na izay sisa amin’i Arama.

Hitovy voninahitra amin’ny Zanak’Israely izy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Izay ho sisa amin’ny fanjakan’Israely

4Amin’izany andro izany dia hihena ny voninahitr’i Jakoba

ary ho lasa ny hataviny.

5Ho tahaka ny fanangon’ny olona ny vary an-tahony amin’ny fararano izany

ka jinjain’ny sandriny ny salohim-bary;

eny, ho tahaka ny fanangon’ny olona salohim-bary

eny amin’ny lohasahan’ny Refaìta.

6Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy,

tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva,

hisy voany roa na telo eny an-tendrony ambony indrindra,

efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra,

hoy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.

Ny fiafaran’ny fanompoan-tsampy

7Amin’izany andro izany dia hitodika amin’ny Mpanao azy ny olona, ary hijery ny Iray Masin’ny Israely ny masony.

8Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro.

9Amin’izany andro izany ny tanànany mafy

dia ho tahaka ny tany lao any an’ala na any an-tampon-tendrombohitra,

izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Israely,

ka ho foana tanteraka ny tany.

10Satria nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao,

dia tsy nahatsiaro ny Vatolampy fiarovana mafy ho anao.

Noho izany dia nanao voly mahafinaritra ianao

ary zana-kazo avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo;

11tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo izy,

ary nony maraina dia nitsimoka ilay nambolenao.

Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andron’ny fahoriana

ary tsy ho azo sitranina ny fanaintainana.

Indray alina monja no handringanana ny mpanafika

12Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro

izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina;

ny firohondrohon’ny olona marobe

tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja!

13Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny ranobe ny firenena

kanefa hotezerana mafy izy ka handositra lavitra

ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra,

raha paohin’ny rivotra,

sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.

14Raha hariva ny andro dia injao, fampihorohoroana;

kanefa raha tsy mbola maraina akory aza dia tsy ao intsony ireny!

Izany no anjaran’izay mamabo antsika

sy tambin’izay mandroba antsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help