Fitomaniana INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYAo amin’ny Baiboly hebreo dia «Indrisy», izay teny voalohany ao amin’ny 1 sy 2 ary 4, no anaran’ny Boky. Ny Septanta, ilay Baiboly dikanteny grika, no nanao azy hoe «Hira fisaonana», ary izany indray no nadika hoe «Ny Fitomaniana» ao amin’ny Baiboly malagasy. Ny Boky Fitomaniana dia naman’ireo Horonam-boky Dimy ka novakina tamin’ny fahasivin’ny volana Av, na ny volana Jolay-Aogositra eo ho eo, izay fahatsiarovana ny nandravana an’i Jerosalema.Ny votoatin’ny BokyNy mpanoratra dia mahatsiaro ireo loza nitranga ary manontany ny anton’izany satria toa nohadinoin’Andriamanitra ny teny fikasana izay nilaza fa haharitra mandrakizay ny sezafiandrianan’i Davida. Miaiky koa anefa izy fa ny fahotan’ny olona no nahatonga izany, ary rariny ny fahatezeran’Andriamanitra. Tsaroany koa anefa fa «ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika, ary tsy mitsahatra ny fiantrany», ary izany no mbola ananany fanantenana.Ny firafitry ny BokyTononkalo dimy no ao amin’ny Boky, koa amin’ny efatra voalohany, ireo andalana tsirairay dia manomboka amin’ny literan’ny abidy hebreo. Toy izao no azo amintinana azy:Ny latsa sy fahoriana manjo an’i Jerosalema: 1Ny kapoka mihatra amin’i Jerosalema: 2Ny fanantenana: 3Ny faharavan’i Jerosalema: 4Vavaka fangataham-pamonjena: 5
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help