Ezekiela 12 - Malagasy Protestant Bible 2011

Manome fambara mialoha momba ny fahababoana Andriamanitra

1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Ry zanak’olona, ianao dia monina eto amin’ny taranaka maditra izay mana-maso hahitana nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana nefa tsy mandre, fa taranaka maditra izy.

3Koa ianao, ry zanak’olona, mifeheza ny entan’ny babo ka miaingà amin’ny andro antoandro eo imasony! Ary mialà eo imasony eo amin’izay itoeranao ho any amin’ny toerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.

4Havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ny babo; fa ny tenanao kosa dia hivoaka eo imasony amin’ny hariva, toy ny fivoakan’ny babo.

5Gorobahy eo imasony ny manda ka ao no amoahy ny entanao.

6Ataovy an-tsoroka eo imasony izany ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; saròny ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa nataoko ho famantarana ho an’ny taranak’Israely ianao.

7Dia nanatanteraka izay nandidiana ahy aho ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy ny entan’ny babo. Nony hariva dia nogorobahiko tamin’ny tanako ny manda, koa nony efa maizina dia maizina ny andro dia nentiko nivoaka ny entana ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.

8Nony maraina dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

9Ry zanak’olona, moa ny taranak’Israely, izay taranaka maditra, tsy nanontany anao va hoe: Inona izao ataonao izao?

10Ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity faminaniana ny loza ity dia momba ny mpanjakan’i Jerosalema sy ny taranak’Israely rehetra izay ao aminy.

11Lazao hoe: Izaho dia famantarana ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ireo: Ho lasan-ko babo izy.

12Ary ny mpanjaka izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hogorobahin’ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan’ny masony ny tany.

13Hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka ho azon’ny harato izy; dia hoentiko any Babilona any amin’ny tanin’ny Kaldeana izy nefa tsy hahita izany izy ary ho faty any ihany.

14Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra sady hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy Aho.

15Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa ahahako any amin’ny Jentilisa sy ampieleziko any amin’ny tany samihafa izy.

16Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ny Jentilisa izay alehany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.

17Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

18Ry zanak’olona, hano amin-korohoro ny haninao ary sotroy amin-kovitra sy amin’ahiahy ny ranonao.

19Ary lazao amin’ny vahoaka hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ny tanin’ny Israely: Amin’ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amin’ny fahaverezan-kevitra no hisotroany ny ranony satria ho foana tanteraka ny taniny ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny hetraketraka nataon’izay rehetra monina ao aminy.

20Ho rava ny tanàna onenana ary ho lao ny tany. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

Ho tanteraka ny tenin’NY TOMPO

21Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

22Ry zanak’olona, ahoana moa izao oha-teny ataonareo ao amin’ny tanin’ny Israely izao hoe: Mandeha ny fotoana, ary tsy misy vanona ny fahitana rehetra?

23Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsahatro izany oha-teny izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ny Israely intsony. Fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ny fahitana rehetra.

24Fa tsy hisy fahitana foana na faminaniana mandrobo intsony ao amin’ny taranak’Israely.

25Fa Izaho no TOMPO. Hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa; tsy hahemotra intsony izany fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

26Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

27Ry zanak’olona, indro, ny taranak’Israely dia miteny hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ny fotoana mbola lavitra no vinanìny.

28Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy hahemotra intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help