Joba 38 - Malagasy Protestant Bible 2011

MIDITRA AN-TSEHATRA NY TOMPO

1Avy tao anatin’ny tafio-drivotra NY TOMPO no namaly an’i Joba hoe:

2Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana

amin’ny teny tsy misy fahalalana?

3Misikìna ary tahaka ny lehilahy

fa hanadina anao Aho ka valio.

Andriamanitra no Tompon’ny zavatra tsy miaina rehetra

4Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany?

Ambarao raha hainao.

5Iza ary no nandidy izay ho refiny raha fantatrao?

Ary iza no nanenjana ny kofehy fandrefesana teo aminy?

6Teo ambonin’ny inona no nanorenana ny andriny

ary iza no nandatsaka ny vato fehizorony,

7raha niara-nihira ny kintan’ny maraina

ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?

8Iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina

raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,

9raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho

ary ny haizim-pito ho fonony,

10ary nandidy ny ho fetrany

sady nanisy hidy sy varavarana

11ka niteny hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra azy

ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?

12Hatrizay niainanao, moa mba efa nandidy ny maraina va ianao?

Efa notoroanao ny fitoerany va ny fiposaky ny andro

13mba handraisany ny sisin’ny tany

ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?

14Dia miova tahaka ny tanimanga fanaovana fitombo-kase ny endriny

ka miseho tahaka ny lamba misoratra.

15Hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy

ka ho tapaka ny sandry naingaina.

16Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao

ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?

17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana?

Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana?

18Moa efa voadinikao ny fivelatry ny tany?

Ambarao ary raha fantatrao izany rehetra izany.

19Aiza ary no lalana ho any amin’ny fonenan’ny mazava?

Ary aiza ny fitoeran’ny maizina

20mba hitsenanao azy any amin’ny faran’ny alehany

satria fantatrao ny lalana ho any an-tranony?

21Eny, fantatrao mantsy izany satria efa teraka ianao tamin’izay

ary maro ny isan’ny andronao!

22Moa efa niditra tany amin’ny trano fitahirizana ny orampanala va ianao?

Ary efa hitanao va ny trano fitahirizana ny havandra

23izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana,

dia ny andro misy ady sy tafika?

24Aiza moa no lalana izarazaran’ny mazava

sy ielezan’ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ny tany?

25Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be

sy lalan-kaleha ho an’ny tselatra sy kotrokorana

26mba hilatsahan’ny ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona,

dia any amin’ny tany efitra tsy misy mponina

27ka hahavonto ny tany ngazana sy ny tany foana

ary hampitsimoka ny ahitra sy hampaniry azy?

28Manana ray va ny ranonorana?

Ary iza kosa no miteraka ny ranonando?

29Kibon’iza moa no niavian’ny ranomandry?

Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy?

30Tonga mafy toy ny vato ny rano

ary mitambatra ny fanambonin’ny lalina.

31Mahavona ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao

na mahavaha ny fatoran’ny Telonohorefy?

32Mahavoaka ireo vondron-kintana amin’ny fotoanany va ianao?

Ary mahatondra an’i Bera mbamin’ny zanany va ianao?

33Fantatrao va ny lalàna eny amin’ny lanitra?

Ary mahafehy ny fanapahan’ireny etỳ an-tany va ianao?

34Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va ianao

mba hanafotra anao ny rano mandriaka?

35Mahay mandefa ny tselatra va ianao

ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?

36Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena

ary irerỳ miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?

37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify?

Ary iza no mampitongilana ny fitoeran-dranon’ny lanitra

38ka mitambatra ho dilatra ny vovoka

ary mivongana ho bainga?

Andriamanitra no Tompon’ny manana aina rehetra

39Mahay mihaza remby ho an’ny liom-bavy va ianao

ary mahafaka ny hanoanan’ny liona tanora

40raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy

ary manotrika ao amin’ny kirihitrala?

41Iza moa no manome hanina ny goaika

raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany

ka mirenireny tsy mahita hanina?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help