Deoteronomia 32 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho!

Henoy, ry tany, ny tenin’ny vavako!

2Hirotsaka tahaka ny ranonorana ny fampianarako,

ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko,

ho tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso

sy ho tahaka ny ranonorana amin’ny anana.

3Fa ny anaran’NY TOMPO no hotorìko;

maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika.

4Izy no Vatolampy, tanteraka ny asany;

fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.

Andriamanitra mahatoky Izy ka tsy misy ratsy ao Aminy;

marina sy mahitsy Izy.

5Efa lo eo imasony ireny,

tsy zanany intsony noho ny kilemany;

fa taranaka miolakolaka sady efa nivadika.

6Moa izany va no havalinareo NY TOMPO,

ry firenena adala, tsy misy fahendrena?

Tsy Izy va no Rainao izay namorona anao?

Tsy Izy va no nanao anao sy nampiorina anao?

7Tsarovy ny andro fahiny;

saino ny taona, hatrizay hatrizay.

Anontanio amin’ny rainao fa hanambara aminao izy;

ary amin’ny zokiolona eo aminao koa, fa hilaza aminao izy.

8Fony nomen’ny Avo Indrindra zaratany ireo firenena

ka samy natokantokany ny zanak’olombelona

dia notendreny ny sisintanin’ireo firenena

araka ny isan’ny Zanak’Israely;

9fa anjaran’NY TOMPO ny olony,

i Jakoba no natokany ho lovany.

10Nahita azy tany an-tany efitra Izy,

dia tany amin’ny tany foana feno feo mierona;

nanodidina azy sy niahy azy Izy,

ary koa notandremany tahaka ny anakandriamasony,

11toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny

ka manomba eo ambonin’ny zanany;

dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy

ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany,

12NY TOMPO irery no nitondra azy,

ary tsy nisy andriamanitra hafa teo aminy.

13Nampandeha azy teny ambonin’ny havoana amin’ny tany Izy

ka nohaniny ny vokatry ny saha;

Izy dia nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ny vatolampy

sy diloilo avy teo amin’ny vatolampy vatoafo

14ary koa rononomandrin’omby sy rononon’ondry aman’osy,

mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry,

ondrilahin’i Basana sy osilahy

ary vary izay vokatra indrindra;

nisotro divay mahery avy tamin’ny ranom-boaloboka mena ianao.

15Nihanatavy i Jesorona ka namely daka;

efa matavy ianao sady vory nofo no vaventy be!

Dia nahafoy an’Andriamanitra izay namorona azy izy

ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy,

16nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa izy

ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;

17namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy

dia andriamanitra tsy fantany,

fa andriamanitra vao niseho tatỳ aoriana

izay tsy natahoran’ny razanareo.

18Ny Vatolampy izay niteraka anao dia tsy tsaroanao

ary hadinonao Andriamanitra izay nahary anao.

19Nahita izany NY TOMPO ka nandà,

noho ny hasosorany tamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.

20Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako;

ho hitako izay hiafarany;

fa firenena tena mpivadibadika izy,

dia zaza tsy mahatoky.

21Ireo dia nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy Andriamanitra

sy nampahasosotra Ahy tamin’ny zava-poanany;

ary Izaho kosa dia hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy olona

sy hampahasosotra azy amin’izay firenena adala.

22Fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako

ka mandoro hatrany amin’ny fitoeran’ny maty any ambany indrindra,

sady mandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy,

ary mampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra aza.

23Havangongoko aminy ny loza marobe

ary holanìko aminy ny zana-tsipìkako:

24Hofezahin’ny mosary izy sady holanin’ny areti-mandripaka

sy ny fandringanana mangidy

ary hampandehaniko aminy ny nifim-biby

mbamin’ny poizin’ny biby mpikisaka amin’ny vovoka.

25Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany

ary ao amin’ny efitrano dia ny horohoro,

na ny zatovolahy na ny zatovovavy,

na ny zaza minono na ny fotsy volo.

26Fa efa nolazaiko hoe: Hopotehiko izy ka hihahaka;

hatsahatro tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny fahatsiarovana azy,

27raha tsy ny fireharehan’ny fahavalo no natahorako,

andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny

ka hiteny hoe: Ny tananay no avo;

fa tsy NY TOMPO tsy akory no nanao izany rehetra izany.

28Fa firenena tsy manan-tsaina izy

sady tsy manam-pahalalana.

29Raha mba hendry izy dia hahafantatra izao

ka hahafantatra izay ho farany.

30Hataon’ny olona irery ahoana no fanenjika ny arivo,

ary hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina,

raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy,

ary NY TOMPO no efa nanolotra azy?

31Fa tsy mba mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’ireny

ka fahavalontsika no ho mpitsara.

32Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’i Sodoma

ary avy ao amin’ny sahan’i Gomora;

ny voalobony dia voaloboka mahafaty

sady mangidy koa ny sampahony.

33Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ny dragona

ary poizina mahery avy amin’ny menarana.

34Moa tsy voatahiry ato Amiko va izany

ka voaisy tombo-kase ato an-trano firaketako?

35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana,

raha avy izay hahasolafaka ny tongony;

fa antomotra ny andro hahitany loza

ary ho avy haingana ny zava-boatendry hanjo azy.

36Fa NY TOMPO hanome rariny ny olony

ary hanenina ny amin’ny mpanompony,

raha hitany fa lany ny heriny

ka tapitra avokoa na ny babo, na ny afaka.

37Ary hiteny Izy hoe: Aiza ireo andriamaniny,

dia ny vatolampy izay nialofany,

38izay nihinana ny jaboran’ny fanatiny

ary nisotro ny divain’ny fanatitra aidiny?

Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo

ary ho fierena ho anareo.

39Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy

ka tsy misy andriamanitra eto akaikiko.

Izaho no mahafaty sy mahavelona,

ary Izaho no maharatra sy mahasitrana,

ka tsy misy mahafaka amin’ny tanako.

40Fa manangana ny tanako amin’ny lanitra Aho

ka miteny hoe: Raha velona mandrakizay koa Aho,

41raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho,

ka voarain’ny tanako ny fitsarana,

dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony

ary hovaliako ny mankahala Ahy.

42Hataoko mamon-dra ny zana-tsipìkako,

ary ny sabatro dia hihina-nofo,

dia ny ran’ny voavono sy ny babo

mbamin’ny loha mirakorako volon’ny fahavalo.

43Ry Jentilisa, hobio ny olony!

Fa ny ran’ny mpanompony no hovaliny.

Hamaly ny mpandrafy Azy Izy,

ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony.

44Dia nandeha i Mosesy, dia izy sy i Hosea, zanak’i Nona, ka nilaza ny teny rehetra amin’izany hira izany teo anatrehan’ny olona.

45Ary nony efa tapitra voalazan’i Mosesy tamin’ny Israely rehetra izany teny rehetra izany

46dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo mba hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.

47Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa ity no fiainanareo; ary izao teny izao no hahamaro andro anareo eo amin’ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’i Jordana ianareo.

Fanambarana ny hahafatesan’i Mosesy

48Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tamin’izay fotoana izay indrindra hoe:

49Miakara amin’ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ny tany Moaba tandrifin’i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’Israely ho lovany.

50Dia ho faty ao amin’ny tendrombohitra izay iakaranao ianao ka ho voaangona any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy tany amin’ny razany,

51satria nivadika Tamiko teo amin’ny Zanak’Israely ianareo tao amin’ny ranon’i Meriba any Kadesy, tany an-tany efitra Zina, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny Zanak’Israely.

52Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin’ny tany izay omeko ny Zanak’Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help