Isaia 33 - Malagasy Protestant Bible 2011

Lozanao izay mandrava!

1Lozanao, ry ilay mandroba,

nefa tsy norobaina ianao;

ry ilay mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao!

Rehefa mitsahatra tsy mandrava intsony ianao dia mba horavana kosa;

ary rehefa mitsahatra tsy mamitaka intsony ianao dia mba hofitahina kosa.

2TOMPO ô, mamindrà fo aminay!

Ianao no antenainay.

Aoka ho herinay isa-maraina Ianao

ary ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana!

3Ny feon’ny fitabatabana

no mampandositra ny vahoaka;

raha misandratra Ianao

dia miparitaka ireo firenena.

4Hangonina

tahaka ny fanangona valala ny babonareo,

tahaka ny firohotana eo amin’ny sompanga no hirohotana eo aminy.

5Manerinerina NY TOMPO

satria mitoetra any amin’ny avo Izy;

nofenoiny

rariny sy fahamarinana i Ziona.

6Tsy hanam-piovana ny andronao;

harena mahavonjy

ny fahendrena sy ny fahalalana;

ny fahatahorana NY TOMPO

no harenany amin’izany.

Ny hidiran’NY TOMPO an-tsehatra

7Indreo misy lehilahy mahery mitaraina eny ivelany;

ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.

8Foana ny lalambe;

tsy misy mpandeha intsony ny sakeli-dalana;

nofoanany ny fanekena;

nohamavoiny ny tanàna;

tsy nanaja olona izy.

9Misaona ny tany ka milofika;

menatra i Libanona ka malazo;

tonga tahaka ny tany ngazana i Saròna,

ary manintsan-dravina i Basana sy i Karmela.

10Ankehitriny dia hitsangana Aho,

hoy NY TOMPO;

ankehitriny dia hijoro Aho;

ankehitriny dia hisandratra Aho.

11Torontoronina bozaka ianareo

ka miteraka mololo;

ny fofonainareo

dia tahaka ny afo handevona anareo.

12Ny firenena dia ho tahaka ny fandoroan-tsokay;

eny, ho tahaka ny tsilo notombohina

izay mirehitra amin’ny afo izy.

13Mihainoa ny amin’izay efa nataoko, ianareo izay lavitra!

Ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky!

14Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona;

horohoro no nahazo ny ratsy fanahy:

Iza amintsika no hahatoetra

ao amin’ny afo mandevona?

Iza amintsika moa no hahatoetra

ao amin’ny lelafo tsy mety maty?

15Izay mandeha amin’ny fahamarinana

sady miteny zava-mahitsy,

izay tsy mety mandray harena amin’ny fanaovana an-keriny

fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly,

izay manentsin-tadìny mba tsy handrenesany ny amin’ny fandatsahan-dra

sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;

16izy no honina any amin’ny avo;

any amin’ny harambato ny fiarovany tena;

izay hohaniny dia homena azy

ary azo antoka ny rano hosotroiny.

Jerosalema afaka

17Ny masonao dia hahita ny mpanjaka amin’ny hatsaran-tarehiny

sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.

18Hotsaroanao ilay nampahatahotra anao:

Aiza ny mpitantsoratra? Aiza ny mpamory hetra?

Aiza ny mpanisa ny tilikambo fiambenana?

19Tsy ho hitanao intsony ny firenena misetrasetra,

dia ireo olona miboredidredi-piteny ka tsy fantatra,

na ny lela miakanakana ka tsy azo.

20Tsinjovy i Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ny andro firavoravoana!

Ny masonao dia hahita an’i Jerosalema, fonenana mandry fehizay,

tranolay izay tsy hafindra intsony,

tsy hongotana intsony mandrakizay ny tsatokan-dainy,

ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.

21Fa any tokoa dia mahery ho antsika NY TOMPO.

Tany misy ony

sy lakandrano lehibe no any;

tsy halehan’ny sambo voizina izany,

na hovakivakin’ny sambo lehibe.

22Fa NY TOMPO no Mpitsara antsika;

NY TOMPO no Mpanome lalàna ho antsika;

NY TOMPO no Mpanjakantsika;

Izy no hamonjy antsika.

23Mivaha ny mahazakan-tsambonao;

tsy mahahazona mafy ny fiorenan’andry izy,

na mahavelatra ny lay.

Fa amin’izay kosa dia hozaraina ny zavatra betsaka voababo;

na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany;

24tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho!

Ny olona izay mitoetra ao

dia voavela heloka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help