Salamo 114 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fony nivoaka avy tany Ejipta ny Israely

1Fony nivoaka avy tany Ejipta ny Israely,

dia ny taranak’i Jakoba avy tany amin’ny firenena hafa fiteny,

2dia tonga fitoerany masina i Joda

ary Israely no fanjakany.

3Nahita azy ny ranomasina ka nandositra

ary nihemotra i Jordana.

4Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy

ary ny havoana tahaka ny zanak’ondry.

5Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao?

Ary ianao, ry Jordana, no mihemotra ianao?

6Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy?

Ary ianareo havoana, no tahaka ny zanak’ondry?

7Mihorohoroa eo anatrehan’ny Tompo, ry tany,

dia eo anatrehan’Andriamanitr’i Jakoba

8izay mampody ny vatolampy ho farihy

ary ny vatoafo ho loharano.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help