Jeremia 18 - Malagasy Protestant Bible 2011

I Jeremia tao an-tranon’ny mpanefy tanimanga

1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO:

2Mitsangàna ka midìna ho any amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga; any no hampandrenesako anao ny teniko.

3Dia nidina tany amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga aho ary indro, teo am-panaovana ny asany teo amin’ny milina fanodinana izy.

4Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

5Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

6Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely.

7Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy;

8kanefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko izany dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezana azy.

9Ary mbetika kosa Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa haoriko sy hamboleko;

10nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavana azy.

11Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, mamorona loza hihatra aminareo Aho ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.

12Nefa hoy ireo: Tsy misy fanantenana ho anay! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay; eny, samy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy izahay rehetra.

Nanadino ny Andriamaniny ny Israely

13Koa izao no lazain’NY TOMPO:

Anontanio any amin’ny Jentilisa hoe:

Iza no nandre zavatra toy izany?

Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon’Israely virijiny.

14Hitsahatra tsy ho eo amin’ny vatolampy any an-tsaha va

ny orampanalan’i Libanona,

ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin’ny tany hafa?

15Fa efa nanadino Ahy ny oloko,

koa ho an’ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra;

ary nahatafintohina azy teo amin’ny lalany ireny,

dia ny lalana efa hatramin’ny fahagola

ka nandehanany amin’ny sakeli-dalana madinika,

dia amin’ny lalana tsy voavoatra.

16Izany no nahatonga ny taniny ho figagana

sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay;

izay rehetra mandalo azy dia gaga

sy mihifikifi-doha.

17Toy ny fampielin’ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy

eo anoloan’ny fahavalony;

hiamboho azy Aho fa tsy hanatrika azy,

amin’ny andro hahitany loza.

Ny teti-dratsy hamelezana an’i Jeremia sy ny vavaka nataony tamin’izany

18Hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ny mpisorona, na ny tolo-tsaina avy amin’ny hendry, na ny teny avy amin’ny mpaminany. Aoka hoenti-mamely azy ny lelantsika ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.

19Mihainoa ahy, TOMPO ô;

ary mihainoa ny tenin’izay miady amiko.

20Ratsy va no havaly ny soa?

Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo.

Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao

nitaraina ho azy

hampiala ny fahatezeranao aminy.

21Koa aoka ho mosarena ny zanany,

ary atolory ho amin’ny herin’ny sabatra izy

ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena;

ary aoka haripaky ny aretina ny lehilahy lehibe ao aminy

ary ho fatin-tsabatra amin’ny ady ny zatovony.

22Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranony

rehefa mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Ianao;

fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy

sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.

23Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala

ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty;

aza avela ny helony;

ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany,

fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy;

mameleza azy amin’ny andro fahatezeranao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help