Salamo 51 - Malagasy Protestant Bible 2011

Vavaka mba hahazoana famelan-kelokaHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida, fony i Natana mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Batseba izy.

1Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao;

araka ny haben’ny fiantranao, vonoy ny fahadisoako!

2Sasao madio aho mba ho afa-keloka

ary diovy aho mba ho afa-pahotana!

3Fa tsaroako ny fahadisoako

ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.

4Taminao dia taminao ihany no nanotako

ary izay ratsy eo imasonao no nataoko,

mba ho marina Ianao raha miteny

ary tsy hanan-tsiny Ianao raha mitsara.

5Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy

ary tamin’ny fahotana no notorontoronina ahy ny reniko.

6Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao

ary fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy!

7Diovy amin’ny hisopa aho ho afa-pahotana dia hadio;

sasao aho dia ho fotsy noho ny orampanala.

8Ampandreneso fifaliana sy faharavoana aho

mba hifalian’ny taolana izay voavakivakinao.

9Afeno ny tavanao ny fahotako

ary vonoy ny heloko rehetra.

10Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô,

ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko.

11Aza manary ahy hiala eo anatrehanao

ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.

12Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao

ary tohàny fanahy mazoto aho!

13Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho,

koa ny mpanota dia hiverina aminao.

14Vonjeo ho afaka amin’ny valin-dra aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy,

dia hihoby ny fahamarinanao ny lelako.

15Tompo ô, sokafy ny molotro

dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.

16Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany;

ny fanatitra dorana manontolo dia tsy mahafaly Anao.

17Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro;

ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.

18Manaova soa amin’i Ziona araka ny fahasoavanao;

ataovy ny mandan’i Jerosalema!

19Dia ho sitrakao ny fanatitra amim-pahamarinana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra levonina amin’ny afo

ary hanatitra vantotra ombilahy eo amin’ny alitaranao ny olona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help