1Lozan’izay mamoron-keloka
sy misaintsain-dratsy ao am-pandrianany!
Ary nony maraina ny andro
dia manatanteraka izany izy
satria manan-kery ny tanany.
2Mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny,
ary mitsiriritra trano koa ka mahazo azy;
mampahory ny raim-pianakaviana mbamin’ny ankohonany izy,
dia ny olona mbamin’ny lovany.
3Koa izao no lazain’NY TOMPO:
Indro, manomana loza hamelezana ity firenena ity Aho,
dia loza tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo
ka tsy handeha miandranandrana ianareo,
satria andro mampahory izany.
4Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo
ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Izay no izy!
Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika.
Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko.
Indrisy! Esoriny hiala amiko izany.
Zarainy ho an’ny mpikomy ny tanintsika!
5Koa tsy hisy aminao hanenjana kofehy fandrefesana hanaovana antsapaka
ao amin’ny fiangonan’NY TOMPO.
Ireo izay mandà ny hafatry ny mpaminany6Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny;
aoka tsy hiteniteny toy izany izy.
Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
7E! Izany va no teninao, ry taranak’i Jakoba?
Malaky tezitra va NY TOMPO?
Izany va no fanaony?
Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
8Vao omaly no omaly no nitsanganan’ny oloko ho fahavalo;
endahinareo amin’izay mandeha tsy manana ahiahy
avy any an’ady
ny akanjobe ivelany manarona ny fitafiany.
9Ny vehivavy amin’ny oloko
dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra;
esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika
ny voninahitra avy Amiko.
10Mitsangàna ka mialà!
Fa tsy eto no fitsaharana,
satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto;
eny, fandringanana mafy.
11Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe:
Hitoriteny aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho
dia izy no ho mpitoriteny ho an’ity firenena ity.
Hamory ny sisa amin’ny Israely Andriamanitra12Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba,
ary hanangona ny sisa amin’ny Israely.
Hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy,
toy ny andian’ondry ao amin’ny tany fiandrasana.
Hisy tabataban’olona marobe.
13Ny mpamaky lalana no miakatra eo alohany,
mamaky lalana izy ka mandalo eo amin’ny vavahady
dia mivoaka avy eo aminy;
mandroso eo alohany ny mpanjakany,
ary NY TOMPO no mitarika azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.