Nehemia 9 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fivorian’ny daholobe ho fiaiken-keloka

1Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’izany volana izany dia niangona ny Zanak’Israely sady nifady hanina no samy nanao akanjo fisaonana sy nihosin-tany.

2Dia niavaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’Israely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.

3Nitsangana teo amin’ny fitoerany avy indray izy dia namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO Andriamaniny tamin’ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ny ampahefatry ny andro koa dia nifona sy niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO Andriamaniny izy.

4Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny levita i Josoa, i Bany, i Kadmiela, i Sebania, i Bony, i Serebia, i Bany ary i Kenany ka nitaraina mafy tamin’ny Tompo Andriamaniny.

5Ary hoy ny levita, dia i Josoa, i Kadmiela, i Bany, i Hasabnia, i Serebia, i Hodia, i Sebania ary i Petahia:

Vavaka fisaorana sy fiderana

Mitsangàna ka misaora NY TOMPO Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay.

Isaorana anie ny anaranao malaza

izay voasandratra ambonin’ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.

6Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO;

Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra,

ny tany sy izay rehetra eo aminy,

ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,

Ianao no mamelona azy rehetra;

ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao.

7Ianao no TOMPO Andriamanitra

izay nifidy an’i Abrama

ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana

sady nanao ny anarany hoe Abrahama;

8ary nahita ny fony nahatoky teo anatrehanao Ianao

ka nanao ilay fanekena taminy

hanome ho an’ny taranany

ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita,

ny Perizita, ny Jebosita ary ny Girgasita;

ary efa nahatanteraka ny teninao Ianao satria marina Ianao.

9Nahita ny fahorian’ny razanay tany Ejipta koa Ianao

sady nandre ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasina Mena,

10dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao,

tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra

sy tamin’ny olona rehetra tany amin’ny taniny;

satria fantatrao fa nirehareha taminy ireo

dia nanao anarana ho Anao Ianao

tahaka ny amin’izao anio izao.

11Ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany

ka nandeha namakivaky teo afovoan’ny ranomasina nandia ny tany maina izy;

ary ireo nanenjika azy dia natsipinao

hilentika amin’ny lalina

tahaka ny vato amin’ny rano manonja.

12Nitondra azy Ianao,

tamin’ny andry rahona raha antoandro

ary tamin’ny andry afo nony alina

mba hampazava azy, hahitany izay lalana tokony halehany.

13Nidina tao ambonin’ny tendrombohitra Sinay Ianao

dia niteny taminy avy any an-danitra

ka nanome azy fitsipika mahitsy

sy lalàna marina

ary fomba sy didy tsara.

14Nampahalala azy ny Sabatanao masina Ianao

ary i Mosesy mpanomponao dia nampilazainao

didy sy fomba ary lalàna taminy;

15mofo avy tany an-danitra no nomenao azy

raha noana izy;

rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hosotroiny

raha nangetaheta izy;

nilaza taminy Ianao fa hiditra ka handova ny tany

izay nanangananao tanana homena azy izy.

16Nefa niavonavona ireny razanay ireny ka nanamafy ny hatony

ary tsy nihaino ny didinao;

17nandà tsy nety nanaraka izany izy

sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy;

fa nanamafy ny hatony izy

ka nikomy

sady izay nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ny fahandevozany;

kanefa Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao

ka miantra sy mamindra fo,

mahari-po sady be famindrampo

ka tsy nahafoy azy.

18Eny, nanao ilay ombilahy kely voarendrika izy

ka nilaza hoe: Io no andriamanitrao

izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta,

dia nampahasosotra Anao indrindra izy;

19kanefa noho ny haben’ny famindramponao

dia tsy mba nahafoy azy tany an-tany efitra Ianao;

ny andry rahona izay nitondra azy teny an-dalana

dia tsy niala taminy raha antoandro,

toy izany koa ny andry afo izay nampahazava azy nony alina

dia hahitany izay lalana tokony halehany.

20Ny Fanahinao tsara

dia nomenao azy koa hampianatra azy,

ary tsy niaro ny mananao tsy hohaniny Ianao

sady nanome azy rano raha nangetaheta izy;

21eny, efapolo taona

no namelomanao azy tany an-tany efitra

ka tsy nisy zava-mahory akory izy;

tsy rovitra ny fitafiany

ary tsy nivonto ny tongony.

22Nanome azy

fanjakana sy firenena maro Ianao

ka voazaranao araka ny faritry ny taniny avy ireny;

dia nahazo

ny tanin’i Sihona sy ny tanin’ny mpanjakan’i Hesbona

ary ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, izy.

23Ary ny zanany dia nohamaroinao

ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra

sady noentinao ho amin’ny tany

izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany holovana.

24Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany

ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany,

dia natolotrao ho eo an-tanany ireo

mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakan’ny fireneny

hanaovany azy araka ny sitrapony.

25Nahazo tanàna mimanda

sy tany lonaka izy

ary trano feno ny zava-tsoa tsy hita isa

sy lavaka famorian-drano voahady

ary tany voavoly voaloboka sy oliva

ary hazo fihinam-boa betsaka;

dia nihinana izy ka voky

ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ny fahatsaranao lehibe.

26Kanefa nandà izy sady nikomy Taminao

ary nanary ny lalànanao teo ivohony,

dia namono ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho Aminao

ka nanao izay nahasosotra Anao indrindra izy.

27Koa dia natolotrao

ho eo an-tanan’ny fahavalony izay nampahory azy izy;

kanefa tamin’ny andro fahoriany

dia nitaraina Taminao izy

ka nihaino azy tany an-danitra Ianao,

ary araka ny haben’ny fiantranao

dia nomenao mpamonjy izy

ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo.

28Kanjo rehefa niadana izy

dia nanao ratsy teo anatrehanao indray;

dia nafoinao

ho eo an-tanan’ny fahavalony indray koa izy

ka ireny no nifehy azy;

dia nitaraina taminao indray izy

ary nihaino azy tany an-danitra Ianao

ka namonjy azy matetika

araka ny haben’ny fiantranao.

29Nananatra azy mafy Ianao hampiverenanao azy ho amin’ny lalànanao;

kanefa mbola niavonavona ihany izy

ka tsy nihaino ny didinao

fa nandika ny fitsipikao;

kanefa mahavelona ny olona mankatò azy izany;

nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony izy

ary tsy nety nihaino.

30Nefa nandefitra nandritra ny taona maro taminy Ianao,

ary ny Fanahinao, izay tao amin’ny mpaminaninao,

no noentinao nananatra azy mafy;

fa tsy nety nihaino ihany izy,

dia natolotrao ho eo an-tanan’ny firenena amin’ny tany hafa.

31Nefa noho ny haben’ny fiantranao

dia tsy navelanao ho lany ringana izy

ary tsy nafoinao

satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.

32Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô,

Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra,

izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao,

aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay,

dia ny mpanjakanay sy ny mpitondra anay,

ny mpisoronay sy ny mpaminaninay

ary ny razanay, dia ny olonao rehetra,

hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandraka androany.

33Ianao no marina tamin’izay rehetra nanjo anay,

fa marina ny nataonao

fa izahay no nanao ratsy;

34ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay,

mbamin’ny mpisorona sy ny razanay,

dia samy tsy nankatò ny lalànanao,

samy tsy nihaino ny didinao sy ny teny vavolombelonao

izay nananaranao azy mafy.

35Fa tsy nanompo Anao teo amin’ny fanjakany izy

na teo amin’ny haben’ny zava-tsoa nomenao azy

na teo amin’ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany

sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony koa.

36Ankehitriny, indreto, andevo izahay izao,

ary eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay

hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy,

indreto, andevo eto izahay;

37mahavokatra be izy,

kanefa ho an’ireo mpanjaka izay notendrenao hitondra anay

noho ny fahotanay ihany izany;

eny, mifehy ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy

ka azom-pahoriana mafy izahay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help