Salamo 22 - Malagasy Protestant Bible 2011

Nahoana no dia nahafoy ahy ianao?Ho an’ny mpiventy hira. Al-aielet-hashahar. Salamo nataon’i Davida.

1Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy ahy Ianao?

Lavitry ny famonjena ahy ny tenin’ny fitarainako.

2Andriamanitro ô, miantso aho nony andro nefa tsy mamaly Ianao;

miantso aho nony alina nefa tsy mahita fiononana.

3Kanefa masina Ianao,

ry mipetraka eo amin’ny fideràn’ny Israely.

4Ianao no nitokian’ny razanay;

natoky izy ka nanafaka azy Ianao.

5Ianao no nitarainany ka afa-nandositra izy;

Ianao no nitokiany ka tsy nitsanga-menatra izy.

6Fa izaho dia olitra fa tsy olona,

fandatsan’olona sy fanevatevam-bahoaka.

7Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy,

manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka miteny hoe:

8Efa niankina tamin’NY TOMPO izy,

dia aoka Izy hamonjy azy;

eny, aoka Izy hanafaka azy,

satria mankasitraka azy Izy!

9Fa Ianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo;

nampandry ahy fehizay Ianao, fony aho mbola nampinonoin’ny reniko;

10nankinina Taminao hatrany am-bohoka aho;

hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Ianao.

11Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana

sady tsy misy olona hamonjy ahy.

12Mitangorona amiko ireo ombilahy maro,

manemitra ahy ny maherin’i Basana.

13Misanasana vava amiko izy;

eny, toy ny liona mamiravira sy mierona izy.

14Efa toy ny rano aidina aho

ka mivaha ny taolako rehetra;

tahaka ny savoka ny foko,

miempo ato anatiko izy.

15Maina tahaka ny tanimanga vakivaky ny heriko

ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako;

ao amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.

16Fa mitangorona amiko ny amboa,

manemitra ahy ny andian’olon-dratsy,

manindrona ny tongotro aman-tanako izy.

17Maha isa ny taolako rehetra aho.

Mibanjina sady mangarika ahy ireo.

18Mizara ny fitafiako ho azy izy

ary anaovany antsapaka ny akanjoko.

19Fa Ianao TOMPO ô, aza manalavitra;

ry heriko ô, faingàna hamonjy ahy!

20Afaho amin’ny sabatra aho,

vonjeo amin’ny herin’ny amboa ny aiko!

21Afaho amin’ny vavan’ny liona

sy amin’ny tandroky ny ombimanga aho!

Dia namaly ahy Ianao!

22Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho,

eo afovoan’ny fiangonana no hiderako Anao.

23Ianareo izay matahotra NY TOMPO, miderà Azy!

Ry taranak’i Jakoba rehetra, omeo voninahitra Azy!

Matahora Azy, ry Zanak’Israely rehetra!

24Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory Izy

ary tsy mba manafina ny tavany aminy;

fa raha mitaraina Aminy ireny dia mihaino Izy.

25Avy Aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ny fiangonan-dehibe;

ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’izay matahotra NY TOMPO.

26Hihinana ny mpandefitra ka ho voky;

hidera NY TOMPO ireo izay mitady Azy.

Ho velona mandrakizay anie ny fonareo!

27Hahatsiaro NY TOMPO ny any amin’ny faran’ny tany rehetra ka hiverina Aminy;

hiankohoka eo anatrehany ny fokon’ny firenen-tsamihafa.

28Fa an’NY TOMPO ny fanjakana;

manapaka ny firenen-tsamihafa Izy.

29Hihinana sy hiankohoka koa ny mpanefoefo rehetra ambonin’ny tany;

eo anatrehany no hiondrehan’izay rehetra midina any amin’ny vovoka,

dia ireo izay tsy mahavelona ny ainy.

30Hisy taranaka hanompo Azy

ary ny Tompo dia holazaina amin’ny taranaka ho avy.

31Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany

amin’ny olona izay mbola hateraka fa Izy no nanao izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help