Salamo 81 - Malagasy Protestant Bible 2011

Enga anie ka hihaino Ahy ianaoHo an’ny mpiventy hira. Al-gitit. Nataon’i Asafa.

1Mihobia ho an’Andriamanitra herintsika!

Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba!

2Asandrato ny hira ka velezo ny ampongatapaka

ary tendreo ny lokanga tsara faneno mbamin’ny valiha.

3Tsofy ny anjomara amin’ny voaloham-bolana,

amin’ny fenovolana, dia amin’ny andro firavoravoantsika.

4Fa lalàna ho an’ny Israely izany

ary fitsipika avy amin’Andriamanitr’i Jakoba.

5Notendreny ho vavolombelona eo amin’i Josefa izany

raha nandeha namely ny tany Ejipta Izy.

Nandre feo tsy fantatro aho niteny hoe:

6Nampiala ny entana tamin’ny sorony Aho,

nitsahatra tsy nitondra sobika ny tanany.

7Fony azom-pahoriana ianao dia niantso Ahy ka nanafaka anao Aho;

namaly anao tao amin’ny fiafenan’ny kotrokorana Aho

ary nizaha toetra anao tao amin’ny ranon’i Meriba. Fiatoana.

8Mihainoa, ry oloko, fa hanambara aminao Aho!

Enga anie ka hihaino Ahy ianao, ry Israely ô;

9Aza asiana andriamanitra hafa eo aminao!

Aza miankohoka amin’ny andriamanitry ny firenena hafa!

10Izaho no TOMPO Andriamanitrao

izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta;

atanatanao ny vavanao dia hofenoiko.

11Nefa tsy nihaino ny feoko ny oloko

ary tsy nankatò Ahy ny Israely

12ka navelako hanaraka ny ditran’ny fony izy,

handehanany manaraka ny fisainan’ny tenany.

13Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko

ka handeha amin’ny lalako ny Israely!

14Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho

ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny!

15Izay mankahala NY TOMPO dia hikoy Aminy,

fa haharitra mandrakizay ny andron’ny oloko.

16Hampihinana azy vary tsara indrindra Izy;

eny, tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help