Tononkiran’i Solomona 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

(Ralehilahy)

1Endre, tsara tarehy ianao, Rahavako!

Endre, tsara tarehy ianao!

Ny masonao dia toy ny an’ny voromailala eo amin’ny fisalobonanao;

ny volonao dia tahaka ny andian’osy

izay miriotra midina ny tendrombohitr’i Gileada.

2Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy efa voahety

izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy;

samy kambana avy ireo

ka tsy misy tsy mana-namana.

3Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao,

ary milantolanto ny fitenenanao;

tahaka ny hasin’ampongabendanitra ny takolakao

eo amin’ny fisalobonanao;

4ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’i Davida,

natao ho trano fihantonana fitaovam-piadiana;

ampinga arivo no voahantona teo,

dia ny ampinga rehetra an’ny lehilahy mahery fo.

5Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela

zana-gazela kambana, dia gazela

izay miraoka ahitra eny amin’ny lisy.

6Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, koa amin’ny milenti-masoandro

dia handeha ho any amin’ny tendrombohitry ny miora

sy ny havoanan’ny ditin-kazo mani-pofona aho.

7Tsara avokoa izato bikanao izato, Rahavako;

tsy misy kilema ianao.

8Avia hiaraka amiko avy any Libanona, ry ampakariko,

eny, hiaraka amiko avy any Libanona;

mitazàna avy eny an-tampon’i Amana,

eny an-tampon’i Senira sy i Hermona,

lavaky ny liona,

sy ny tendrombohitry ny leoparda.

9Babonao ny foko, ry havako ampakariko,

babonao ny foko tamin’ny fijerin’ny masonao an’ila fotsiny

sy tamin’ny rojo iray amin’ny vozonao.

10Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako ampakariko!

Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! Eny, tsara noho ny divay!

Ary ny hanitry ny menakao dia mihoatra noho ny balisama rehetra!

11Mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko;

tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelanao,

ary ny fofon’ny fitafianao dia tahaka ny fofon’i Libanona.

12Saha voafefy tsara ianao ry havako ampakariko,

loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.

13Ianao no saha anirian’ny ampongabendanitra tsara voa,

sady misy voninkazo sy narda,

14eny, narda sy tamotamo,

veromanitra sy havozomanitra

ary ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra,

miora sy hazo manitra

mbamin’ny balisama rehetra.

(Ravehivavy)

15Loharano ao an-tsaha ianao,

loharano miboiboika,

ary renirano kely avy any Libanona.

16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo,

mitsofa eny an-tsahako hielezan’ny fofon’ny balisama.

Aoka ny malalako hankaty an-tanimboliny

ka hihinana ny voankazony tsara.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help