Obadia INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYIty no boky fohy indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha, fa toko iray monja misy andininy 21. Ny anarana hoe Obadia dia midika hoe Ny mpanompon’NY TOMPO. Heverina fa ny Boky dia voasoratra taorianan’ny nahazoan’ny Babiloniana an’i Jerosalema tamin’ny 587 tal JK.Ny votoatin’ny BokyNy Boky dia faminaniana ny amin’ny hamelezana an’i Edoma noho ny tsy namindrany fo tamin’i Jerosalema izay efa voatafika. Ny Edomita dia taranak’i Esao, rahalahin’i Jakoba na Israely. Hatramin’ny ela ny Edomita no efa nampijaly ny Israely, kanefa tamin’izao fandravan’ny Babiloniana an’i Jerosalema izao dia vao mainka nanampatra ny fampahoriana sy ny avonavona izy. Ambaran’ny mpaminany fa ho avy ny Andron’NY TOMPO izay handringanana an’i Edoma sy ireo fahavalon’ny Israely rehetra. Fampiononana ny Israely ny mandre izany.Ny firafitry ny BokyFanambaràna ny handringanana an’i Edoma: And 1-9Ny hamaliana ny ratsy nataon’i Edoma tamin’Israely: And 10-16Ny Andron’NY TOMPO: Fandringanana ny firenena jentilisa fa famonjena an’i Ziona: And 17-21