Isaia 64 - Malagasy Protestant Bible 2011

1dia tahaka ny fandevon’ny afo ny tapa-kazo maina

sy ny fampangotraky ny afo ny rano;

mba ho fampahafantarana ny fahavalonao ny anaranao

ka hangovitra eo anoloanao ny Jentilisa.

2Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Ianao

dia nidina ka niempo teo anoloanao ny tendrombohitra.

3Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola nisy nandre,

na naheno,

na nahita maso,

izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy,

afa-tsy Ianao.

4Mitsena

izay mifaly hanao ny marina Ianao

dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao;

Indro, tezitra Ianao, ary hita fa meloka izahay;

fa tamin’ireo lalana fahiny no namonjena anay.

5Fa samy tahaka ny olo-maloto izahay rehetra,

ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay rehetra;

malazo tahaka ny ravina izahay rehetra

ary mipaoka anay tahaka ny rivotra ny helokay.

6Tsy misy olona miantso ny anaranao

na mifoha hifikitra Aminao.

Fa efa nanafina ny tavanao taminay Ianao

ka nandevona anay

noho ny helokay.

7Nefa ankehitriny TOMPO ô, Rainay Ianao;

izahay dia tanimanga,

ary Ianao no mpanefy anay.

Asan’ny tananao izahay rehetra.

8Aza dia tezitra mafy loatra TOMPO ô,

ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay;

miangavy Anao izahay, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.

9Tonga tany efitra ireo tanànanao masina;

eny, tonga tany efitra i Ziona

ary lao i Jerosalema.

10Ny tranonay masina sady mendrika,

izay nideran’ny razanay Anao,

dia voadoron’ny afo,

ary rava ny zavatray sarobidy rehetra.

11Koa mbola mahatsindry fo amin’izany zavatra izany ihany va Ianao, TOMPO ô?

Hangina va Ianao

ka hampahory anay mafy loatra?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help