Salamo 33 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fiderana an’Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy

1Mihobia ho an’NY TOMPO ianareo, ry olona marina!

Fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana.

2Miderà NY TOMPO amin’ny lokanga;

mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo.

3Mihirà hira vaovao ho Azy!

Mitendre tsara amin’ny feo mihoby.

4Fa mahitsy ny tenin’NY TOMPO

ary mahatoky avokoa ny asany rehetra.

5Tia fahamarinana sy rariny Izy;

henika ny famindrampon’NY TOMPO ny tany.

6Tamin’ny tenin’NY TOMPO no nanaovana ny lanitra

ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana izay rehetra ao aminy.

7Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra iray Izy;

mitahiry ny rano lalina ho ao amin’ny trano fitahirizana Izy.

8Aoka hatahotra NY TOMPO ny tany rehetra!

Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao!

9Fa Izy no niteny dia ary izany;

Izy no nandidy dia nitoetra mafy izany.

10Mahafoana ny fikasan’ny firenen-tsamihafa NY TOMPO;

mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.

11Maharitra mandrakizay ny fikasan’NY TOMPO

ary mahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny hevitry ny fony.

12Sambatra ny firenena izay manana NY TOMPO ho Andriamaniny,

dia ny olona nofidiny ho lovany!

13Avy eny an-danitra no itsinjovan’NY TOMPO;

mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy;

14avy eo amin’ny fonenany no ijereny

ny mponina rehetra ambonin’ny tany,

15dia Izy izay namolavola ny fon’izy rehetra

sy mamantatra ny asany rehetra.

16Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny hamaroan’ny miaramilany;

ny olo-mahery dia tsy voavonjin’ny haben’ny heriny.

17Ny soavaly dia tsy azo itokiana ho famonjena

ary tsy mahavonjy ny haben’ny tanjany.

18Indro, mitsinjo izay matahotra Azy ny mason’NY TOMPO,

dia izay manantena ny famindrampony,

19mba hanafaka azy amin’ny fahafatesana

sy hamelona azy raha misy mosary.

20Miandry NY TOMPO ny fanahintsika;

famonjena antsika sy ampingantsika Izy;

21fa Izy no ifalian’ny fontsika

satria ny anarany masina no itokiantsika.

22TOMPO ô, aoka ny famindramponao hitoetra aminay

araka ny iandrasanay Anao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help