Salamo 20 - Malagasy Protestant Bible 2011

Vavaka ho an’ny mpanjakaHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1Hihaino anao anie NY TOMPO amin’ny andro fahoriana,

hitondra anao ho any amin’ny avo anie ny anaran’Andriamanitr’i Jakoba!

2Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerana masina anie Izy

ary hanohana anao avy any Ziona.

3Hahatsiaro ny fanatitra rehetra avy amin’ny zavamaniry ataonao anie Izy

ary hankasitraka ny fanatitra dorana manontolo ataonao! Fiatoana

4Hanome anao araka izay irin’ny fonao anie Izy

ary hahatanteraka ny fikasanao rehetra.

5Hihoby noho ny famonjena azonao izahay

ary amin’ny anaran’Andriamanitray no hanangananay faneva;

hotanterahin’NY TOMPO anie ny angatahinao rehetra.

6Ankehitriny dia fantatro fa NY TOMPO dia mamonjy ny Voahosony;

hamaly azy avy amin’ny lanitry ny fahamasinany Izy,

amin’ny herin’ny famonjen’ny tanany ankavanana.

7Ny sasany dia mitoky amin’ny kalesy fitondra miady, ary ny sasany dia amin’ny soavaly;

fa raha izahay kosa dia ny anaran’NY TOMPO Andriamanitray no hantsoinay.

8Ireo dia reraka sady lavo

fa izahay kosa dia mitsangana sy mijoro.

9TOMPO ô, vonjeo ny mpanjaka!

Hamaly anay anie izy amin’izay andro iantsoanay Azy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help