Titosy 3 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny tokony ho fitondrantenan’ny Mpino

1Mampahatsiarova azy hanaiky izay mitondra sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,

2tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.

3Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.

4Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika,

sy ny fitiavany ny olona,

5dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana,

fa araka ny famindrampony kosa

no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina,

6izay narotsany betsaka tamintsika

tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,

7mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika

ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.

8Mahatoky ireo teny ireo, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, ho an’izay mino an’Andriamanitra ka mieritreritra hamirapiratra amin’ny asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.

9Fa halaviro kosa ny fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady teny ny amin’ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.

10Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray mandeha na indroa, dia ialao

11satria fantatrao fa efa mivadika izay manao izany ka sady manota izy no manamelo-tena koa.

Hafatrafatra farany sy fanaovam-beloma

12Rehefa maniraka an’i Artema na i Tikiko ho atỳ aminao aho dia miezaha hankany amiko any Nikopolia ianao fa mikasa handany ny ririnina any aho.

13Vatsio tsara i Zena mpahay lalàna sy i Apolosy mba tsy hisy izay hanahirana azy.

14Aoka koa ny olontsika hianatra hazoto amin’ny asa tsara mba hahazoany izay zavatra tena ilainy fa tsy mba ho isan’izay tsy mamokatra izy.

15Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Veloma any amin’izay rehetra tia antsika amin’ny finoana.

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help