2Tantara 16 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny ady nifanaovan’i Asa sy i Basa, mpanjakan’ny Israely 1Mpa 15.16-22

1Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra.

2Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe:

3Aoka hisy fanekena amiko sy aminao, dia toy ilay tamin’ny raiko sy ny rainao; koa indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin’i Basa, mpanjakan’ny Israely, mba hialany amiko.

4Nanaiky ny tenin’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ireo lehiben’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; dia nandrava an’Iona sy i Dana sy i Abela-Maima ary ny trano fitahirizana rehetra izay teny amin’ny tanànan’ny Naftaly izy ireo.

5Nony ren’i Basa izany dia nitsahatra tsy nanamboatra an’i Rama intsony izy fa natsahany ny asany.

6Namory ny Joda rehetra i Asa mpanjaka avy eo; dia nesorin’ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’i Basa, ka noentiny nanamboarana an’i Geba sy Mizpa.

Nampidirin’i Asa am-ponja i Hanany mpahita

7Tamin’izany andro izany dia nankeo amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda, i Hanany mpahita ka niteny taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ny mpanjakan’i Arama fa tsy niankina tamin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ny mpanjakan’i Arama.

8Tsy marobe va ny Kosita sy ny Lobita, ary tsy marobe koa va ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’NY TOMPO dia natolony teo an-tananao ireo.

9Fa ny mason’NY TOMPO dia mijery eny tontolo eny manerana ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy. Adala ianao tamin’izany ka hisy ady hahazo anao manomboka izao.

10Dia tezitra tamin’ilay mpahita i Asa ka nanao azy tao an-tranomaizina; fa nisafoaka taminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’i Asa noho izay.

Ny niafaran’ny fanjakan’i Asa 1Mpa 15.23-24

11Ary indro, ny tantaran’i Asa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely.

12Tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Asa dia narary tamin’ny tongony izy ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy dia tsy nitady NY TOMPO fa ny mpitsabo ihany.

13Ary nodimandry any amin’ny razany i Asa; maty izy tamin’ny taona fahiraika amby efapolo nanjakany.

14Dia nalevina tao amin’ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’i Davida ka nampandriana teo amin’ny fandriana efa nofenoina zavamanitra samihafa voaharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, sady nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help