1Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko:
Andeha isika ho any amin’ny tranon’NY TOMPO.
2Ny tongotray dia efa mijoro
eo amin’ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
3dia ianao, ry Jerosalema, izay efa vita
tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4any no iakaran’ny fokom-pirenena,
dia ireo fokom-pirenen’NY TOMPO;
lalàna amin’ny Israely izany
mba hisaotra ny anaran’NY TOMPO.
5Fa any no misy ireo sezan’ny fitsarana,
dia ny sezafiandrianan’ny mpianakavin’i Davida.
6Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema;
hambinina anie izay tia anao;
7fiadanana anie ho ao anatin’ireo mandanao;
fanambinana anie ho ao amin’ireo lapanao.
8Noho ny rahalahiko sy ny namako
no hilazako hoe: Fiadanana anie ho ao anatinao.
9Noho ny tranon’NY TOMPO Andriamanitsika
dia hitady izay hahatsara anao aho.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.