Isaia 26 - Malagasy Protestant Bible 2011

Hira: Manana tanàna mafy isika

1Amin’izany andro izany dia hohiraina eto amin’ny tanin’i Joda izao hira izao:

Manana tanàna mafy isika;

famonjena no napetraky NY TOMPO ho manda sy fiarovana.

2Vohay ny vavahady

mba hidiran’ny firenena marina

izay mitana ny fahamarinana.

3Ny olona tsy miovaova hevitra

dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka,

satria matoky Anao izy.

4Matokia NY TOMPO mandrakizay,

fa NY TOMPO, NY TOMPO

no Vatolampy mandrakizay.

5Naetriny ny olona avo toerana;

ny tanàna avo dia arodany;

eny, arodany ho amin’ny tany

ka ataony mihosom-bovoka.

6Hitsahin’ny tongotra izy,

dia ny tongotry ny ory

sy ny faladian’ny mahantra.

Vavaka: Manantena anao izahay RY TOMPO

7Mahitsy ny lalan’ny marina;

eny, Ianao izay mahitsy no manamora ny alehan’ny marina.

8Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao.

Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao,

izany no irinay indrindra.

9Maniry Anao aho nony alina;

eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra;

fa raha mamely ny tany ny fitsaranao

dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.

10Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy

dia tsy mety mianatra fahamarinana;

eny, mbola manao meloka ihany izy na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza

ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’NY TOMPO.

11TOMPO ô, avo ny tananao

ka tsy jeren’ireo;

Tsy maintsy ho jereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ny olonao

ka ho menatra izy;

eny, afo no handevona ny fahavalonao.

12TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao;

fa ny asanay rehetra

dia tanterahinao ho anay.

13TOMPO Andriamanitray ô,

tsy Ianao ihany no efa nampanompo anay fa nisy tompo hafa koa;

nefa Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.

14Ny maty dia tsy ho velona intsony,

ny matoatoa dia tsy mba hitsangana;

koa novalinao izy

ka naringanao,

sady nofoananao avokoa ny fahatsiarovana azy!

15Nampitombo ny firenena Ianao, TOMPO ô!

Eny, nampitombo ny firenena Ianao ka nahazo voninahitra ho Anao;

nitarinao avokoa ny faritry ny tany.

16TOMPO ô, nitady Anao izy ireo

nony azom-pahoriana;

nanao vavaka tora-po izy

nony iharan’ny famaizanao.

17Tahaka ny vehivavy bevohoka efa madiva hiteraka

ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany,

dia tahaka izany izahay teo imasonao, TOMPO ô!

18Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay,

nefa tahaka ny nitera-drivotra izahay;

tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay,

ary tsy niteraka mponina ho an’izao tontolo izao.

19Ho velona indray ny olonao izay efa maty!

Hitsangana ny fatin’ny oloko!

Koa mifohaza sy mihobia

ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka!

Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana,

ary ny tany dia hiteraka ny maty.

20Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efitranonao,

ary mirindrìna varavarana ianao;

miere kely indray mipy maso monja

mandra-pahalasa ny fahatezerana.

21Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany

hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony;

hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany

ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help