Salamo 101 - Malagasy Protestant Bible 2011

Manaiky hanaja ny marina ny mpanjakaSalamo nataon’i Davida.

1Famindrampo sy fitsarana no hankalazaiko;

Ianao, TOMPO ô, no hoderaiko.

2Hitandrina ny lalana marina aho.

Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Ianao?

Handeha amin’ny fahitsian’ny foko

ao anatin’ny tranoko aho.

3Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho;

halako ny fanaon’ny mpivadika,

tsy ho azon’izany aho.

4Halaviriko ny fo maditra;

tsy hankasitraka izay ratsy aho.

5Izay manendrikendrika ny namany mangingina

dia hofongorako;

izay miandranandrana sy miavonavona am-po

dia tsy zakako.

6Hijery izay olona mahatoky amin’ny tany ny masoko

mba hitoerany ato amiko;

izay mandeha amin’ny lalana marina

no hanompo ahy.

7Tsy mba hitoetra ao anatin’ny tranoko izay manao fitaka.

Tsy mba hijanona eo anoloan’ny masoko izay milaza lainga.

8Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany

mba hamongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help