Salamo 103 - Malagasy Protestant Bible 2011

Misaora NY TOMPONataon’i Davida.

1Misaora NY TOMPO, ry fanahiko

ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

2Misaora NY TOMPO, ry fanahiko

ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

3izay mamela ny helokao rehetra,

izay manasitrana ny aretinao rehetra,

4izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,

izay manarona famindrampo sy fiantrana anao,

5izay mamoky zava-tsoa anao;

mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.

6NY TOMPO manao fahamarinana

sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina.

7Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny lalan-kalehany Izy;

nampahafantariny ny asa lehibe nataony ny Zanak’Israely.

8Mamindra fo sy miantra NY TOMPO,

mahari-po sady be famindrampo.

9Tsy mifandahatra mandrakariva Izy,

na mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy,

na mamaly antsika araka ny helotsika.

11Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany

no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy.

12Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana

no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

13Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany

no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy.

14Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika

ka mahatsiaro fa vovoka isika.

15Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona;

tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,

16satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa

ary tsy mahalala azy intsony ny toerany.

17Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy

ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany,

18dia amin’izay mitandrina ny fanekeny

sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

19Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO;

ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany.

20Misaora NY TOMPO, ianareo anjeliny,

dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny

ary mihaino ny feon’ny teniny.

21Misaora NY TOMPO, ianareo miaramilany rehetra,

dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.

22Misaora NY TOMPO, ianareo asany rehetra

manerana ny fanjakany.

Misaora NY TOMPO, ry fanahiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help